Tsy mifidy izay asiana intsony ireo jiolahy mpanendaka etsy amin’ny faritra Ankadindramamy sy manodidina. Vehivavy mpanao gazety iray miasa amina haino aman-jery tsy miankina indray no lasibatr’ireo mpanendaka omaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Handeha hamonjy fodiana ity mpanao gazety ity no avy hatrany dia nendahan’ny jiolahy tamin’ny toerana izay tsy lavitra ny trano fonenany. Mora tamin’ity jiolahy ity no nanao izay asa ratsy izay satria mangingina ny toerana sady maizina. Raha ny fitantaran’ilay niharam-boina dia efa narahan’ilay mpanendaka ny tenany vao nidina ny fiara ary avy hatrany dia tohotondry no nahazo azy teo amin’ny tarehiny rehefa niditra ny elakelan-trano izay mihazo ny trano fonenany. Naratra mafy moa ity mpanao gazety ity noho izay vono nahazo azy izay. Marihina fa lasan’ilay olon-dratsy tamin’io fotoana io ny finday ,ny fitaovana fampiasan’ity mpanao gazety ity ary ny peratra teny amin’ny tanany. Ilay mpanendaka kosa dia tafaporitsaka rehefa nahavita ny fanendahana. Tsara ny manamarika fa faritra efa malaza amin’ny resaka fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana ny faritr’Ankadindramamy sy ny manodidina. Efa maro ny antso nataon’ireo mponina eny an-toerana amin’ny tokony handraisan’ny mpitandron’ny filaminana fepetra entitra manoloana izao tsy fandriampahalemana izao kanefa hatreto dia tsy hita ny vokatra fa mbola mitohy hatrany ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy.