Nitohy tany andrenivohitr’i Betsimisaraka, tao an-tampon-tanànan’i Toamasina ny sabotsy teo ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-40-n’ny Arema.
Ny mpanorina ny Arema, ny Amiraly Ratsiraka mihitsy no tonga nitarika an’izany tany an-toerana.
Amin’ny maha-raharaha politika azy moa dia nahatsinjovana ihany indray ny tsindrom-paingotra ho an’ny fitondrana amperin’asa ny lahatenin’ny Amiraly Ratsiraka, izay somary namelahany tehamaina ihany koa ny fitondrana teo alohan’ny ankehitriny, toy ny tamin’ny tetezamita sy ny tamin’ny andron-dRavalomanana.
Tsy dia atao mahagaga izany satria ireo vondron-kery telo ireo (Mapar, Hvm, Tim) no somary mahazo vahana kely amin’izao fotoana eo amin’ny tontolon’ny politika, ka tsy manaiky ho takona ny Arema sy ny Amiraly Ratsiraka. Ny tsindrom-paingotra namelezany an’ireo vondron-kery telo nifandimby nitondra farany ireo dia ny fitovian’ny tsy fahombiazany eo amin’ny fitantanana. Navoitrany hatrany kosa ny tokony hijerena ny fampihavanana.
Etsy ankilany, nanaitra ny maro kosa ny nahitana tompon’andraikitra politika hafa tonga nanotrona izao faha-40 taonan’ny Arema tany Toamasina izao, dia ny Praiminisitra teo aloha Omer Beriziky mitarika ny Mamimad amin’izao fotoana, ny Mdm tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Pierrot Rajaonarivelo, ny Mts tamin’ny alalan’ny filohany Roland Ratsiraka, ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, Elysé Ratsiraka, izay olom-boafidy Mapar.
Amin’ny raharaha politika, tompoko, na manana rohim-pihavanana aza ny Amiraly Ratsiraka sy Roland Ratsiraka ary Elysé Ratsiraka dia sarotra ny hino fa ny maha-mpihavana azy ireo no tena nanosika azy ho tonga hifanotrona toa ireny, indrindra fa tsy nitoetra fotsiny ho mpanotrona fa nandray fitenenana mihitsy. Toraka izany koa i Pierrot Rajaonarivelo . Tsy lavitr’izany ny fahatongavan’i Omer Beriziky.
Ny tombantomban’ny mpitazana dia hoe « misy fifanatonana any ho any ». Tsy fifanatonana inona akory fa tsy maintsy ivon’ny resaka ny politika ankehitriny sy ny ho avy rahampitso…