Omaly alahady faha 19 jona 2016 no notanterahina tetsy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) tetsy amin’ny 67HA ny fivavahana fangataham-pitahiana hoan’ny tanindrazana izay nataon’ny FFKM ( Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara). Toa ny zavamisy isan-taona dia fitrotroana amim-bavaka ny firenena Malagasy noho ny fahatratrarany ny 26 jona, izay fitsingerenan’ny nahazoana ny fahaleovantena no anton’izany. Ny tena andrasan’ny maro anefa dia ny fahafantarana ny fijerin’ny FFKM ny raharaham-pirenena. Na dia tsy tonga tamin’ity fotoana ity aza ny filoham-piangonana efatra dia nampita ny hafatra kosa ny sampana FFKM eto Analamanga. Tamin’izany indrindra no nilazan’izy ireto fa latsaka ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy ka tokony hifanantona. Ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao no ametrahan’izy ireo ny hafatra amin’izany raha ny toriteny sy ny fanambarana nataon’izy ireo ireto. Isan’ny ametrahan’ny hafatra ihany koa ny Malagasy rehetra, fa indrindra ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena.
Ity fanambarana nataon’ny FFKM ity izany no fanambarana faharoa nataon’ny mpino kristianina taorian’ny nolazain’ny fiombonamben’ny eveka eto Madagasikara. Raha volana vitsy izay dia nanambara tamin’ny vahoaka Malagasy sy ny fitondrana ankehitriny izy ireo fa manjaka ny kolikoly sy halatra ataon’ny mpitondra sy ny olona akaikin’ny fitondrana.
Ny fikambanana iraisam-pirenena dia milaza fa ny 92isan-jato ny fianakaviana Malagasy dia tafiditra ao anatin’ny fahantrana tanteraka. Izay azo adika fa ny 98isan-jato ny Malagasy no efa milomano ao anatin’izany fahantrana izany ankehitriny. Ny olombitsy izay ao akaikin’ny fanjakana sisa no tsy mahantra eto amin’ny firenena.
Azo adika ve izany fa hiverina indray amin’ny fampihavanam-pirenena izay takian’ny FFKM ireto ? Ny fampihavanam-pirenena izay efa tsy no raharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina intsony sy ny fitondrana misy ankehitriny. Inona no dikan’ny fangatahana fifampidinihana indray izay takian’ny FFKM ireto amin’ny fanjakana sy ny mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena rehetra? Ny fanambaran’ny FFKM ity dia mipetraka ho fanambarana ihany satria dia azo antoka ny tsy hiraharahan’ny fanjakana izany, toa ny fanambarana rehetra izay efa nisy hatramin’izay nampitaina amin’ny mpitondra firenena ireto.
Jesy Rabelaolao