Tafaresaka ny « Inspecteur d’Etat » iray sy ny zandary manamboninahitra iray avy ao amin’ny zandary izay tompon’andraikitra ao amin’ny Bianco (birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly). Tetsy Antaninanarenina izy roalahy ireto no niresaka mahakasika ny risoriso izay ataon’ny mpikarakara ny fifaninanana izay ho tanterahana ny faha 11, 12, 13, ary faha 14 oktobra 2016 izao. Natrehan’ny mpanao gazety tato amin’ny « La Gazette de la grande Ile » ny resaka nifanaovan’izy roalahy ireto tamin’izany, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo. Mifankahalala tanteraka ilay « inspecteur d’Etat » sy ilay manamboninahitra ao amin’ny zandary ity ka dia tsy nisy ny zavatra nafenina teo amin’ny ady hevitra. Tamin’izany fotoana izany no nitantaran’ilay mpiasa ao amin’ny mpisafo ny fampiasana ny volam-panjakana ity. Voalazan’io rangahy io fa misy risoriso sahady ity fifaninanana ity, dieny mbola miatomboka ny fifaninanana hoy izy nanamafy ny teniny. Ny antony hoy izy dia ny fomba nandrafetana ny lalàna hanaovana ny fifaninanana.  Ny lalàna araka ny voalazan’ny didy hitsivolana izay mifehy ny fifaninanana rehetra natao hatramin’izay dia tsy voasolon’ny didim-pitondrana izay nanova ny fandraisana ireo ho an’ny mpiadina amin’ny fifaninanana mivantana. Ny diplaoman’ny “doctorat” izay ao amin’ny sokajy faha 9 no afaka mandray anjara amin’izany. Ny lalàna navoakan’ny mpikarakara ity fifaninanana ity, dia ireo izay manana ny diplaoma sokajy faha 8 na ny “master”. Io tranga io no azo ilazana avy hatrany fa misy risoriso ny fifaninanana, ka isan’ny mpanao risoriso ilay nandrafitra ny lalànan’ny fifaninanan iray ity. Nambaran’ilay mpiasa ao amin’ny IGE (inspecteur d’Etat) ity fa misy vehivavy roa mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana ny repoblika no tonga nanao risoriso na kolikoly tao amin’iray amin’ireo mpiandraikitra ny fifaninanana ity tamin’ny taona 2015 iny. Misy porofo izany hoy izy. Hatramin’izao dia mbola mitady irika hampidirana ny olony hatrany ireo vehivavy roa ireo, ka izany hoy izy no antony nampidinana ny diplaoma handraisana ny mpiadina mivantana izao. Henon’ity mpiasa ao amin’ny IGE ity fa manome volabe ny iray amin’ny mpikarakara ny fifaninanana ity ireo vehivavy manodidina ny filoha ireo tamin’ny taona lasa. Mbola tsy nety nilaza ny anarany mivantana taminay ilay mpiasan’ny IGE izay nanao filazana mialoha ny fisian’ny kolikoly sahady amin’ity fifaninanana ity amin’ilay mpiasan’ny BIANCO io. Nilaza ilay manamboninahitra ambony io fa hijery akaiky ity raharaha ity. Dia ho hitantsika eo ny tohiny satria niarahana mahita fa ny tetika ratsy toa izao no namerenana ny fanadinana handraisana mpiasan’ny ladoany izay nikorontana tamin’iny herinandro lasa iny. Ny lalàna mihitsy ankehitriny no ampiasaina amin’ny kolikoly toa izao. Araka ny voalazan’ilay mpiasan’ny IGE na ilay mpisafo ny fampiasana ny volam-panjakana ity fa tsy hanao akory ny fanatanterahina ity fifaninanana ity ny sendikan’ny mpiasan’ny fisafoana ny volam-panjakana ireo. Mitaky ny hanarenana amin’ny laoniny ny lalàna mifehy ny fifaninanana ity ireo mpiasam-panjakana ambony ireo, ka hamoahana lalàna vaovao.

Fa maninona moa no miady mafy ny amin’ny fanaovana kolikoly amin’ny fifaninanana ity ireo vehivavy roa eny Iavoloha ireo ? Raha ny zavamisy teo aloha teo dia avy ato amin’ny IGE no nanao fisafoana ka nahatratrarana ilay volabem-panjakana nahodinkodina tamin’ny alalan’ny fanamboarana foto-drafitr’asa tao amin’ny ministeran’ny Atitany tamin’ny taona 2014-2015 lasa teo iny ny kaominina maro manerana an’i Madagasikara. Hamorona “inspecteur d’Etat” vaovao izany ny tanjona amin’ity risoriso ity mba hahazoana mangalatra ny volam-panjakana indray amin’ny fotoana manaraka, ka ny olona izay hampidirina amin’izany risoriso izany no hanao ny raharaha.

Jesy Rabelaolao