Omaly alarobia faha 03 aogositra 2016 dia nanao fitokonana teo anoloan’ny HCC (Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana) ny mpanao gazety mitaky ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Izany dia tohin’ny fanafoanana tanteraka ny fampiharana ny lalàna izay nolanian’ny parlemantera roa(senatera sy ny depiote) tamin’ny volana jolay 2016 lasa teo iny. Fihetsiketsehana hampiseho amin’ny HCC amin’ny tsy hamotehany ny demôkrasia sy ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety, ary ny fahalalahana fototra no anton’izany. Ingahy Eric Rakotoarisoa izay filohan’ny HCC ity dia isan’ny mpanao gazety koa , ary isan’ny mpaneho hevitra ankahalalahana tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra natao rehetra. Isan’ny mpanao gazety niady mafy hoan’izany fahalalahana izany ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Efa tonga ao amin’ny HCC ankehitriny ilay lalàna nolanian’ny depiote anterisetra tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Miteraka resabe eto amin’ny firenena ity raharaha ity, satria dia mirakitra ny fanapotehana ny demôkrasia tanteraka ary ny zo sy ny lalàna fototra amin’ny tany repoblikanina rehetra. Naneho ny heviny ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra ny amin’ny tokony hiverenana amin’ny fifampidinihana indray amin’ny fanamboarana ity lalàna ity. Isan’ny nanohana ny mpanao gazety ny PNUD na ny sehatrasa ny firenena mikambana momban’ny fampandrosoana, toa izany koa ny firenena amerikanina, ny frantsay, ny vondrona erôpeanina sy afrikanina ary mpanao gazety iraisam-pirenena maro. Maro koa no fikambanana Malagasy sy olo-tsotra ankehitriny no manohana ny fitakian’ny mpanao gazety ity. Any ampelatan’ny HCC ankehitriny ny raharaha ka miandry ny hataon’ity andrimpanjakana miandraikitra ny fampiharana ny voalazan’ny lalàm-panorenana ny rehetra ankehitriny. Samy mahafantatra ny olom-pirenena rehetra fa voahitsakitsaka ny andininy faha 10 sy 11 amin’ny lalàna fototra ity. Ho hita eo ny fomba fijerin’ny HCC ity raharaha ity. Izany no fampatsiahivana nataon’ny mpanao gazety teny Ambohidahy omaly faha 03 aogositra 2016 tamin’ny 12 ora ka hatramin’ny 02ora atoandro. Tamim-pilaminana tanteraka no nanaovan’ny mpanao gazety ny fitakiany tamin’izany.
Ny mpanao gazety izay milaza fa tsy hihemotra hatramin’ny farany amin’ny fitakiana ataony ity amin’ny ady ho amin’ny fahalalahana.
Jesy Rabelaolao