Anisan’ireo raharaha niteraka resabe teto amin’ny firenena kanefa tsy misy tohiny intsony ankehitriny ny momba ilay raharaha fahatratrarana rongony 131 gony tao Ihosy , faritra Ihorombe. Ny faha 5 ny volana mey lasa teo no nitrangan’ny raharaha izay tsiahivina ihany fa nahatafiditra ny zanakanabavin’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, Maharante Jean de Dieu, antsoine hoe Dalbin. Ny iray tamin’ireo fiara 4x4 nitondra ny gony misy ireo rongony aza dia fiaran’ny ministera ary efa fampiasan’ny minisitra Maharante Jean de Dieu teo aloha. Raha ny fantatra ankehitriny, dia efa miriaria ao Toliara ao amin’izao fotoana izao ilay zanakanabavin’ny minisitry ny FOP, miaraka amin’ilay namany antsoina hoe Géo, ireto farany izay samy voasambotra tamin’ity raharaha ity ary nampidirina am-ponja taorian’ny fahatratrarana azy ireo. Efa herinandro teo ho eo izay no miriaria ao Toliara ny roalahy ary maro amin’ireo mponina any an-toerana no taitra raha nahita azy ireo. Marihana fa niteraka resabe tao Toliara ity raharaha fahatratrarana rongony 131 gony ity satria dia saika ao avokoa no fiavian’ireo voasambotra. Tsy mba miafina na mipiripirina moa ireto roalahy vao avy nampidirina am-ponja vonjimaika ireto fa mirehareha eran’ny tanàna. Fa etsy andaniny, ny tena mahatalanjona amin’ity raharaha ity, dia miaraka amin’ireo fiara 4x4 nitondra ireo gony misy rongony tao Ihosy ihany koa ity zanakanabavin’ny minisitra Maharante sy ny namany. Raha ny lalàna mantsy no jerena dia tokony nohazonin’ny fitsarana ireo fiara ireo, kanefa moa havana akaiky ny minisitra no tafiditra amin’ity raharaha ity dia tsy mitovy tahaka ny olom-pirenena rehetra fa ambonin’ny lalàna. Ny fanontaniana mipetraka dia tsy mahafantatra ny lalàna velona eto amin’ny firenena ve ireo mpitsara nanome alalana amin’ny famoahana ireto fiara 4x4 ireto sa nisy ny baiko avy amin’ny mpanantanteraka ka tsy maintsy notanterahina? Izay tokoa ve ilay firenena tan-dalàna ho an’ireo mpitondra eto amitsika sa ahoana? Olona tratra nitondra rongony 131 gony tamin’ny volana mey teo dia efa miriaria eran’ny tanàna kanefa mpivarotra rongony ahatratrarana fonosana rongony am-polony, zara raha mahafeno iray ampafolon’ny gony akory dia migadra any am-ponja aman-taonany maromaro. Toe-javatra tahaka izao ihany no mahat