Tsy vitan’ny hoe miaina ao anaty fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny adalan’ny mpitondra fa potika tanteraka ihany koa ny fiarahamonina, na ny eto andrenivohitra, na any amin’ny faritra. Zary lasa fiteny sisa ankehitriny ilay teny hoe « ny Malagasy no tompon’ny fihavanana », satria raha ny zavamisy ary hita eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny dia tsy misy intsony ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy mpiara-belona, eny fa na eo amin’ny samy mpianakavy aza. Maty tanteraka ny kolotsaina sy ny soatoavina maha Malagasy, toa tsy fantatry ny Malagasy intsony ny fifanajana, na eny an-dalambe, na any anaty fiaram-pitaterana. Ankehitriny, tsy mahataitra ny olona intsony ny mahita olona mitsirara eny amoron-dalana eny fa handalovana fotsiny. Tsy resahina intsony ny adim-pianakaviana sy ny ady mivady misy eny anivon’ny fokontany rehetra eny. Tranga iray niseho tetsy Faravohitra, manakaiky ny EKAR, dia ahafahana manaporofo izany, tovolahy kely misy aretina mitaiza no nitsirara tamin’ny tany nandritran’ny ora maromaro kanefa dia tsy nisy dia iray aza tamin’ireo mpandalo no mba nijery azy fa samy nanohy ny diany avokoa ny rehetra. Manjaka tanteraka ny herin’ny vola ka ireo izay miezaka ny handeha amin’ny fahamarinana indray no mahazo tsiny amin’ny mpiara-belona. Simba tanteraka ny fiaraha-monina kanefa dia tsy misy ny andraikitra raisin’ny fanjakana manoloana izany olana ara-kolotsaina lehibe izany. Ny azo antoka aloha dia tsy hisy mihitsy ny firenena vanona sy handroso raha tsy ny fiaraha-monina mihitsy no mizotra araka ny tokony ho izy. Izany rehetra izany moa dia vokatry ny adalan’ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena izay tsy nikatsaka ny hanatsara ny fiainam-bahoaka fa nijery ny tombotsoany manokana sy ny fianakaviany ary ny tombotsoan’ny vahiny.
F.T.