Nahavariana ny maro ny nahita an’ireo mpitandro ny filaminana nirahin’ny tompon’andraiki-panjakana teny Ambohidahy sy ny manodidina, izay misy ny lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana omaly.

Nanomboka teny Ambohitsorohitra ny fahagagaga. Izay fiara nandeha hidina an’iny atsinanan’Ambohitsirohitra hidina an’Ambohidahy iny, dia niantefan’ny fanontaniana hoe « ho aiza ianareo ? ».

Hatrizay anefa, tsy misy fanontaniana, ary na sanatria hanipy baomba ao amin’ny lapa aza, dia toa tsy tsinjo izay fahamailoan’ny tompon’andraikitra izay. Omaly dia feno mpitandro ny filaminana ny tontolo manodidina an’iny lapan’ny Hcc iny, hatreny Antaninarenina sy Ambatonakanga (Pergola) iny. Izay mpiasa na olona nahavita raharaha tao amin’ny lapan’ny Faritanin’Antananarivo tao Ambohidahy koa, na mpiasa hivoaka hisakafo atoandro aza, dia voasava ny tany aminy. Angaha tany misy hotakotaka eto no toa izany ny fisehon’ny fitandroam-pilaminana ? Tena fampihorohoroana aloha ilay izy na iza hanazava na iza hiteny zavatra hafa e !

Tena tsinjo sy tsapa fa baiko an-jambany ilay fihetsika rehetra e !

Diso kajy aloha ireo mpibaiko ny mpitandro ny filaminana satria tsy nampoizin-dreo ho teny anoloan’ny lapan’ny Fitsarana Tampony teny ampita no nifamotoana sy hanao ny hetsiky ny « Sit in » izahay mpanao gazety, fa tsy afaka nanoatra ireo iraky ny mpanao asa fampihorohoroana tamin’ny alalan’ireto mpitandro ny filaminana. Hany herin-dry zalahy, nijoro teo anoloana, ampitan’ny arabe. Tsaroana hatrany amin’ny tranga toa ireny ny fanazavana nentin’ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, fa fony izy lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika (1996), isaky ny misy hetsika ankalamanjana na andalambe dia manafatra hatrany izy fa miankina amin’ny tranga eny an-toerana ny fihetsika sy fepetra tokony horaisin’ny mpitandro ny filaminana irahina eny an-toerana. Misy ny baiko omena avy amin’ny foibe, hoy izy, fa tsy baiko ampiharina an-jambany. Izay manan-tsaina, aoka izy handinika.

Ralay