Lalàna mifehy ny serasera: Mahatoky ny fahendren’ny HCC ny ROHY
Eo am-pelatanan’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny hoavin’ny firenena ankehitriny satria izy ireo no hamoaka ny heviny momba ilay lalàna mifehy ny serasera. Noho izany indrindra, dia miantso ny HCC mba handinika sy handrasarasa amin’ny fo sy fanahy ary saina tsy miangatra mialohan’ny handraisana fanapaha-kevitra ny ROHY na ny vovonan’ireo fikambanana firaisamonim-pirenena eto Madagasikara, tao anatin’ny fanambarana nataony. Efa maro ny voalaza momba ity fehezan-dalàna mifehy ny Serasera ity, natao ihany koa ny fiala-nenina rehetra sy ny irika hahitana vahaolana iraisana, na teo aza ny fandrabirabiana sy ny fifampihantsiana ary ny herisetra niseho tamin’ny fomba isan-karazany ka ankehitriny, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana sisa no afaka misakana ity lalàna izay tsy mitondra vokatsoa velively ho an’ny fahalemana sy ny filaminana, ny demokrasia sy ny soatoavina izay indraindrain’ity fehezan-dalàna ity ihany. Na hatramin’ireo antso avo ho amin’ny dinika sy fifanatonana nataon’ny hery velona samihafa aza, isan’izany ny firaisamonim-pirenena, dia notsinotsiniavina ka tsy nasiana akony akory, hoy ny vovonana ROHY Marina fa tsy natao ho an’ny marimaritra iraisana ny lalàna, saingy tsy azo odian-tsy hita fa mampisara-bazana sy mahatonga savorovoro eto amin’ny firenena ity fehezan-dalàna ity ary tsy mikendry ihany koa ny tombontsoan’ny vahoaka. Mametra-panontaniana ny ROHY amin’ny hoe: mbola azo lazaina ho lalàna lanim-bahoaka ihany ve ny lalàna iray raha toa Solombavambahoaka 18 monja amin’ny 151 misy no mifidy azy? Noho izany, any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sisa no azon’ny olom-pirenena ianteherana handà sy hanohitra ny fangejana ny fahalalahana sy ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny olom-pirenena tsirairay avy, araka ny famaritana ao amin’ny Fanambaràna Iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona (And.faha-19) sy ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara (And. faha-11). Tsy hitondra vokatsoa na ho an’ny demokrasia, na ho an’ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika aorian’ny fifidianana amin’ny 2018 ny famoahana ity fehezan-dalàna amin’ny endriny ankehitriny ity. Hampitombo ny fifankahalana sy ny herisetra ary ny fizirizirian-kevitra fotsiny ihany ny fanampenam-bava ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena fa tsy hitondra any amin’ny tena ady hevitra sy ny fihainoana ny hevitry ny hafa. Tokony hahay haka lesona amin’ny tantara ny mpitondra ankehitriny, indrindra fa ireo mpikambana eo anivon’ny HCC, hoy ihany ROHY tao anatin’ny fanambarana nataony. Ny tantara no efa nanaporofo fa tsy mitondra fiovàna velively teto Madagasikara ny famoretana fa nitarika any amin’ny fifandonana hatrany ka nampitontongana ny toekaren’ny firenena.
F.T.