Fiakaran’ny vidin’entana: Sady tsy voafehy no mitaza-potsiny ny fanjakana
Taorian’ny fisondrotan’ny vidin’ny solika ny volana jona lasa teo dia nanomboka niakatra tsikelikely ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro (PPN) eny an-tsena. Anisan’ny manosika ireo mpivarotra hampiakatra ny vidin’entana ihany koa ny fiakaran’ny vidin-jiro sy ny hetra alain’ny fanjakana. Nahitàna fisondrotana ohatra ny vidin’ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Raha teo amin’ny manodidina ny 1300 ariary teo ho eo ny vidin’ny kilao amin’ny vary makoliaka sy ny vary stock eny amin’ireo mpaninjara teo aloha, dia tafakatra 1400 ariary izany ankehitriny. Tsy ny sakafo ihany fa hatramin’ireo entana madinika ilain’ny mponina andavan’andro, dia nahitàna fisondrotana daholo, toy ny labozia sy ny savony. Amin’ny ankapobeany, niakatra avokoa ny vidin’ny entana eto amitsika tao anatin’ny volana vitsy. Toe-javatra izay vao maika manampitrotraka ny fahasahiranan’ny Malagasy efa miaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Manoloana izany anefa, dia mitaza-potsiny ny fitondram-panjakana fa tsy misy ny andraikitra raisina mba hanalefahana ny fahasahiranam-bahoaka. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: tsy mahita vahaolana hifehezana ny vidin’entana eto amitsika ve ny fitondram-panjakana sa ny finiavana mihitsy no tsy misy ? Adidy ary andraikitra nankinin’ny vahoaka amin’ny mpitondra ny fikaroham-bahaolana amin’ireo olana rehetra mianjady aminy ka rehefa tsy mahita vahaolana ny mpitondra, dia tokony hanetri-tena handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany. Betsaka ihany ireo mpanao politika, indrindra fa ireo mpahay toe-karena Malagasy no manolotra soso-kevitra mba ahafahana mifehy na mampihena ny vidim-piainana eto amitsika, isan’izany ohatra ny filohan’ny FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison, na ireo avy amin’ny “Madagascar pour le changement” kanefa tsy mahataitra ireo mpitondra izany. Marihana fa ireto mpahay toe-karena ireto izay efa mangataka amin’ny filoham-pirenena mba hanantanteraka atrikasa lehibe handinihana manokana ny mikasika ny vidim-piainana eto Madagasikara sy ny fahefa-mividy ny Malagasy.
F.Tsihiavonana