Biraom-panjakana: Mijaly ny mpanjifa

Tanisain’ny mpitondra fanjakana sy ny mpila anditra isa-maraina, vao miposaka ny masoandron’Andriamanitra fa “niverina ny fankatoavana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena”. Ny dikan’izany, hoy ry zareo dia efa manomboka mivoaka ny vola fanampiana an’i Madagasikara. Nireharehan’ny fitondrana mihitsy moa ny faneken’ny Fmi hanome 304 tapitrisa dolara, ka ny ampahefatr’izy io aloha no hoe homena amin’ity taona ity. Ho fanampiana ny fitantanam-bolam-panjakana, hono izy io.

Etsy ankilany, toa inona ny faneren’ny Fmi ny mpitondra Malagasy mba tsy hanampy ny Jirama fa tokony alefa amin’ny sehatra hafa ny vola natokana ho amin’izany. Ny fanerena ny mpitondra hangeja hatrany ny vahoaka mba handoa hetra koa, tsy hita hotanisaina intsony.

Isak’izay mihetsika amin’ny fanaovan-draharaha eny amin’ny biraom-panjakana anefa ny olom-pirenena, na fanamarinam-ponenana any amin’ny fokontany aza dia ampandoavina vola. Ny kolikoly isan-karazany, tsy tenenina intsony.

Rehefa mba manatona biraom-panjakana, toy ny sampan-draharaham-paritra any amin’ny faritany any anefa ny olom-pirenena, ankoatry ny fakana vola aminy (mety ho ara-dalàna fa mety ho kolikoly koa), dia tsy mba mahazo fahafaham-po araka izany fa mbola takiana aminy ny taratasy hanaovana ny raharahany.

Mampijaly ny vahoaka ange izany e! Izany ve no fanjakana tsara tantana ? Aiza ny tamberin’andraikitry ny fanjakana amin’ny vahoaka izay nandoa hetra sy nitrosa tamin’ny anarany tany ivelany tany ?

Aiza ny anjara biriky mba entin’ireo harem-pirenena isan-tokony, lafovidy notrandrahina teto ka naondrana nankany ivelany, no tsy mba hita voaka amin’ny fanampiana ny vahoaka na dia ny fiantohana ireny taratasy ilain’ny vahoaka eny amin’ny biraom-panjakana ireny ihany aza ?

Ny fiandrasana miharo fandrirarirana maharitra andro maromaro eny amin’ny biraom-panjakana moa dia manginy fotsiny.

Endrika isehoan’ny gaboraraka sy ny tsy fahaiza-mitantana avokoa izany e ! Tsy voaporofon’ny fitondrana Rajaonarimampianina fa hainy ny manarina ny fitantanan-draharaham-panjakana izay nanjakan’ny fahalovana hatrizay.

Sarotra ho an’izao fitondrana Hvm izao koa anefa ny hanarina izany satria efa nitari-dalana ny fiainam-piaraha-monina mankany amin’ny fanomezana vahana ny kolikoly sy ny kiantrano an-trano mbamin’ny fifanararaotana ry zareo mpitondra ambony

Izany rehetra izany no itakian’ny sokajin’olona maro ny hirosoana amin’ny fanarenana ifotony fa tsy ny fanomezana vahana hatrany ny fangoronan-karenan’ny mitana ny fahefam-panjakana mbamin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ka anjakan’ny vahiny.

Tsy ho tratran’ny fitondrana ankehitriny intsony ny fanarenana ny firenena satria ny nampihombo ny fahapotehan’ny firenena dia tsy afaka hanarina sy hampandeha azy intsony. Toa mifanandrify amin’izany ange ny fitakian’ny olona sasany ny fametraham-pialan’izao fitondrana izao e !