Mpiraki-draharaham-pitsarana: Hiroso amin’ny fitokonana fa voafitaky ny mpitondra fanjakana
Nampiaka-peo indray omaly ny sendikan’ny mpiraki-draharaham-pitsarana satria nahatsiaro ho voafitaky ny mpitondra fanjakana.
“Fampanantenana poaka aty”. Izany no teny azo ilazana ny hevitra nambaran’izy ireo omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ry ireo.
Ny olana nahatonga ireto mpiraki-draharaham-pitsarana ireto ho nitokona teo aloha teo no tian’izy ireo ho nambara omaly. Tao anatin’ny fitokonana tamin’izany, volana vitsivitsy lasa izay, dia naneho fahavononana hifampidinika ho famahana ny olana fototry ny fitakian’ireto mpiraki-draharaham-pitsarana ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana. Dia nanaiky niroso tamin’ny famahana ny olana ny fanjakana, ary nampanantena fa homena fahafaham-po ireto mpitaky.
Olon-dehibe nifanaiky ve no nifanatrika dia tsy hankato ny voalaza ireto mpiraki-draharaham-pitsarana ? Dia niverina niasa izy ireo.
Ny fampihorohoroana an’ireo nitokona anefa tamin’izany efa tsy zakan’ny ain’izy ireo intsony. Ny antoka izay nomena azy ireo momba izay tsy hisian’ny famaizana moa dia nekena na tsy tena naharesy lahatra azy ireo aza. Ankehitriny, resy lahatra ireo mpiraki-draharaham-pitsarana fa nampanantenaina poaka aty ka dia nivoaka tao anatin’ny fandeferany indray omaly. Nanome roa herinandro ny fitondram-panjakana mba hamahana ny olana ifotoran’ny fitakian’izy ireo ry zareo. Isan’izany moa ny fanondrotana laharana (avancement / Grade), satria ho lasa manamaro isa sy hanatevin-daharana ny tsy manan-kialofana sy ny mpatory ankalamanjana izahay rehefa tonga amin’ny fotoana fisotroan-dronono, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, raha tsy misy izay fitsinjovana anay izay, ka iray amin’izany ny fampiakarana laharana. Isan’ny notakian’izy ireto koa ny fanondrotana ny tambin-karama amin’ny trano fonenana (indemnité de logement). Nandray ohatra mivantana ity filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ity ka nilaza fa “omeko 14.000 ariary ny tompon’andraikitra iray raha hahavita tranon’akoho na lavi-
piringy amin’izany, nefa 12.000 sy 14.000 ariary no tambin-karama ho amin’ny trano onenana omena anay, hoy izy. Ny solombavambahoaka anefa, fe-potoam-piasana
5 taona no maha-olom-boafidy azy fa an’hetsiny ariary ny tambin-karama ho amin’ny trano fonenan-dry zalahy ireo. Izahay mpiraki-draharaham-pitsarana kosa, ampolon-taonany maro no miasa , nefa dia izany 14.000 ariary izany no mba omena anay.
Ampahany amin’ireo endri-pamotehan’ny fitondram-panjakana ny fitsarana Malagasy izany rehetra izany, ary azo atao aza ny manipika fa ny mpitondra fanjakana no tena mampiroborobo ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana.
Manome roa herinandro ny fitondram-panjakana àry ny sendikan’ny mpiraki-draharaham-pitsarana mba hamahana ny olana, hamaliana ny fitakiana, fa hirotsaka an-tsehatra amin’ny fitokonana izy ireo raha tsy to izany.
Ny mpisolovava koa dia efa nisy fotoana, tsy ela akory izay, nanehoan’izy ireo ny fitarainany fa vokatry ny fianahan’ny kolikoly dia aleon’ny manan-draharaha eny amin’ny fitsarana manome kolikoly ny tompon’andraikitra sasany dia mahazo antoka (???) ny ho fahazoany rariny, noho izay mbola hanatona mpisolovava, izay raharaha mbola iatrehana ady fa tsy dia misy antoka hahombiazana loatra. Famotehana ny raharaham-pitsarana koa izany.
Soa fa mba misy ihany mpitsara nifanatona, saingy tsy dia maro, naneho ny fahavononany hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny rariny ka tsy handray kolikoly, ary hanentana ny namany hampanjaka izany tsy fanomezana sehatra ny kolikoly izany.
Ny mpitondra fanjakana moa dia angoan-tenda fotsiny no mba vitany amin’ity ady amin’ny kolikoly sy fanarenana ny fitsarana ity fa ny tena marina dia ry zareo no tena fanetriben’ny firenena mamotika azy io.
Ralay