Inty sy Nday: Fitondrana mpanao amboletra sy jadona sisa

Tsy misy tsy miaiky ankehitriny fa tena fitondram-panjakana tsy mahatapaka ahitra, toy ny angady mondro, ny fitondrana Rajaonarimampianina. Tsy fandaminana politika hainy sy vitany, tsy fikatsahana ny fitoniana ara-piarahamonina ankapobeny mba mivaingana mba azo tsapain-tanana efany, tsy fanarenana ny toekarena misongadina ka tontosany, tsy fikarakarana sosialy mba mivoitra hoe tanterany, tsy kolotsaina voatandrony fa hoe narovany, tsy fotodrafitrasa voatsangany …. Dia variana sy sondriana manangon-karena amin’ny alalan’ny fanamparam-pahefana sy tsikombakomba amin’ny vahiny fotsiny mbamin’ny fandrobana mivantana na ankolaka ny harem-pirenena mbamin’ny fivarotan-tanindrazana.

Amboletra sisa ny fomba itondran’ny Hvm ny raharaham-panjakana amin’izao fotoana. Ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny jadona no ampiasain-dry zareo amin’izany, dia ny fandrahonana sy fampihorohoroana etsy sy eroa izany. Rehefa tsy vitany amin’ny jadona noho ny tsy fahatahoran’ny olona hafa izany, satria tsy manana toerana na tombontsoa manokana arovana na iankinana amin-dry zareo mpitondra ny sokajin’olona sasany, dia fanangolena ara-bola no afitsony.

Ohatra iray mitohoka amin’ny tenda ireny raharahan’ny kaominin’Ambohimahamasina Ambalavao Fianarantsoa ireny, izay nahitan’ny mpisafo raharaham-panjakana ambony ny fanodinkodinam-bola mananika ny 396 tapitrisa ariary teo amin’ny minisitry ny atitany sy Rtoa Razaimamonjy Claudine, nefa dia ireo mpisafo raharaham-panjakana ambony nahita ny heloka vitan-dry zalahy mpitondra indray no voasazy (???°).

Ny vahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy no tofoka sy leon’izao fitondrana izao satria mampihombo fahantrana azy. Endrika ivelany taratr’izany ny fihetsiketsehana etsy sy eroa ataon’ny sokajin’olona maro, na mpanao politika na sendikalista na mpandala ny fahalalahana demokratika na ny olom-pirenena tsara sitra-po eny anivon’ny fiangonana, sy ny maro tsy ho voatanisa. Marobe koa ireo tsy miloa-bava fa tena efa miandry ny higadonan’ny fotoana iotazana ilay “voankazo lo eny ampotony”. Ao anatin’izy ireo ny tafika, ny mpiasampanjakana maro, ny mpandraharaha ara-toekarena, ny mpisehatra ara-tsosialy maro, ny tanora, ny renim-pianakaviana….

Izao tranga izao dia ahafahana  milaza fa na ho aiza na ho aiza ny fitondrana Rajaonarimampianina, dia tsy ho tafavoaka intsony satria tsy manana ny fanohanan’ny vahoaka azy intsony.

Ny lalana efa namotehan’ny mpitondra nifandimby teo aloha ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ihany koa mantsy no mbola izoran’ny fitondrana Hvm, dia ny fiankinan-doha amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena sy ny fanomezana alalana ny vahiny handroba ny harem-pirenena eto. Nampian’ny ankehitriny an’ity fivarotan-tanindrazana ity koa aza izany.

Raha anontaniantsika vahoaka izao ry zalahy mpitondra hoe “ahoana sy manakory tokoa moa izao ny fahitanareo ny fomba fitantananareo ny raharaham-pirenena ?”, dia kinga aoka izany ry zareo hiteny fa “efa tafaverina ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisampirenena antsika, ary efa samy nanonona tarehi-marika ara-bola ho amin’ny fanampiana antsika ry zareo, nany Banky Mondialy na ny Tahirim-bola Iraisampirenena (Fmi), na ny Vondrona eraopeana, na ny Banky isan-tokony eo amin’ny sehatra iraisampirenena (Bad, Badea…). Ny ankoatra izay dia tsy mahita havaly.

Angaha moa zava-baovao hoa n’ny Malagasy izany fitokisan’ny iraisampirenena izany ? Efa nisy teto ange izany na faha-Ratsiraka na faha-Ravalomanana, ary tamin’ny 1986 aza dia nambara ho “mpianatra mahafatra-pon’ny FMI i Madagasikara” (Bon élève) fa nampiakatra ny fiainam-bahoaka ve izany sa nanampy trotraka ny fahantrany ?

Ny dikan’izany, mila mihetsika ny vahoaka mba hanavotana ny firenena fa tsy afaka hanantena intsony an’izao fitondrana mpamadika tanindrazana izao.

Ralay