James Ratsima: “Aiza no handraisana ny frankofonia?”
Mbola nohamafisin’ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fivahinianany tao amin’ny televizionina TV5 Monde sy ny onja-peo RFI tamin’ny herinandro lasa teo fa tsy hihemotra ny fanjakana Malagasy fa vonona handray ny fihaonana an-tampony ny OIF, izay ho tanterahina ny faha 22 hatramin’ny 26 novambra izao. Manoloana izany indrindra dia mametra-panontaniana ny filohan’ny fikambanana Mandatehezan’ny tia tanindrazana, James Ratsima, amin’ny hoe “aiza no handraisana ity fihaonana an-tampony ny frankofonia ho atao eto amitsika ity?”. Raha ny zavatra hiarahana mahita mantsy dia sarotra ny mbola hinoana fa ho vita mialohan’ny faran’ny volana novambra izao avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra handrasana ity fivoriana iraisam-pirenena lehibe ity. Fa etsy ankilan’izay dia mametra-panontaniana ihany koa ingahy James Ratsima amin’ny hoe “iza no filoham-pirenena avy amin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny OIF ka hoavy eto amitsika amin’io fivoriana io?” Ho an’ity mpanao politika ity dia mety ho vitsy ihany izy ireo no hoavy eto Madagasikara noho ny fanahiana eo amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Ny filoha frantsay Francois Hollande ihany no azo antoka fa tsy maintsy hoavy satria tsy maintsy hanome voninahitra ny teny frantsay. Ireo filoham-pirenena na filoham-panjakana hafa kosa dia mety handefa solontena satria tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana Malagasy. Mampiahiahy mafy mantsy ny fisian’ny silamo mahery fihetsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary mbola tsy manana ny traikefa hiatrehana an’izany asa fampihorohoroana izany isika Malagasy. Ho an’ingahy James Ratsima dia very fanahy mbola velona ireo vahoaka tratran’ny kere any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy satria na ny fanjakana tokony hijery akaiky azy ireo aza tsy mahalala afa-tsy ny Frankofonia.
F.Tsihiavonana