Raharaham-pitsaboana: Ianjadian’ny fanararaotana ny vahoaka
Ny fiahiana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiantohana ny fitsaboana azy raha sendra aretina dia raharaha ara-tsosialy iray tokony ho ivon’ny ady hevitra eto amin’ny tany sy ny firenena.
Raha ny rariny sy hitsiny dia adidin’ny fanjakana ny miantoka izany, indrindra fa ao anatin’ny fahasahiranany lalina ny ambanilanitra. Baikon’ny mpampindram-bola avy any ivelany no nahatonga ny fitondram-panjakana hampandoa vola ny vahoaka mandeha mitsabo tena eny amin’ireny toeram-pitsaboana eo ambany fiahian’ny fanjakana ireny.
Ny mpampindram-bola mantsy dia tsy te hahalala hoe mavesatra amin’ny vahoaka ange na hanefa saram-panalana nify iray aza, na hiantoka ny lany amin’ny fiterahana aza, sy ny maro hafa….
Izahay dia mbola manipika hatrany fa raha tsara tantana ny harem-pirenentsika eto fa tsy atao toa izao fanjakazakan’ny tetik’asa sasany azy eto izao, na izao gaboraraka mihanaka izao, dia tsy hampananosarotra ny fanjakana ny hiantoka ny fiahiana ny fahasalaman’ny vahoaka, manomboka amin’ny madinika indrindra toy ny fanafody sy kojakoja anasana fery sy ny fitsaboana ny aretina tazomoka na sery sy kohoka, ka hatramin’ny fitsaboana avo lenta lalim-paka, eny hatramin’izay mety hilana manafatra manam-pahaizana any ampita na mandefa ny marary hotsaboina any ivelany aza. Tsy voatery ho izany koa anefa satria sady manana manam-pahaizana avo lenta isika no manana hopitaly manara-penitra fa ny fampitaovana no ilàna fiantohana maty paika, dia omena karama manara-penitra ny mpitsabo, dia tsy misy intsony ny olana.
Indraindray koa moa dia manao ny fanararaotana isan-karazany ny mpitsabo sy ny mpanampy azy ireny, satria zary efa rivotra iainana eto izany.
Raha misy olona marary tsaboina, ohatra, ao amin’ny hopitaly iray, na efa fantatr’ilay mpitsabo izao aza fa ho faty rahalina io olona io, dia asainy ividianana fanafody marobe, mety ho lafo mihitsy, ary tsy ny fianakavian’ny marary no avelany hitahiry ny fanafody rehetra novidian’ny fianakaviana, fa ry zareo, ka rehefa lasa ilay marary, na maty na sitrana, dia lasan’ny mpitsabo ny ambim-panafody ka amidiny amin’izay mila indray aty aoriana.
Etsy an-kilany, raha misy havan’ny marary asaina mividy fanafody, dia efa fantatry ny mpitsabo sasany na ny mpanampy azy fa tsy hahita an’io fanafody io mihitsy ny havan’ny marary raha tsy any aminy, ary ny toeram-pivarotam-panafodin’ny hopitaly efa voaresak’izy ireo manokana, dia ry zareo mpitsabo ihany na ny mpanampy azy no mody manatona ka mifampiraharaha amin’ny havan’ny marary avy eo hoe « ary izahay mahita saingy somary lafolafo ny vidiny ka ifampierantsika aloha ». Mafy ny manana ny marary ka miezaka mitady vola, mamorona ny tsy misy mihitsy raha iny no hanavotra ny ain-dehiben’ny havana marary, dia miroboka mividy, mandoa vola amin’ilay mpitsabo na ny mpanampy azy.
Fanararaotana maharikoriko mihitsy ary mifanohitra amin’ny fianianana nataon’ny mpitsabo talohan’ny hidirany tamin’io sehatr’asa io izany.
Ny sasany indray dia tena mifototra amin’ny kolikoly ny asa fitsaboana ataony amin’ny mpiara-belona, indrindra fa ny any amin’ny toeram-pitsaboana an’ny fanjakana, tsy ambanivohitra, tsy an-tanan-dehibe.
Izany aretina tsy maintsy hodidiana izany moa dia isan’ny fanararaotan-dry zareo mihitsy koa. Ny fandidiana fiterahana no matetika mpitranga.
Vao amin’ny dingan’ny fisafoana ilay renim-pianakaviana dia efa ampitahorin’ilay mpitsabo hoe “sarotsarotra izy izany ka mety voatery hodidiana ianao”. Mandeha eny ny fotoana, dia efa raiketiny ao antsain’ilay bevohoka izany. Dia hita fa misy fanararaotana koa satria tokony ho ny sandan’ny kojakoja handidiana ihany no vidian’ny havan’ny mpiteraka, raha voatery ho izany izy, saingy tombanan’ny mpitsabo avoavo ny saram-pandidiany. Tsy tokony hadinoina fa mpiasampanjakana izy amin’io. Misy ny manoritra vola an-tapitrisany mihitsy amin’izany.
Ny sasany indray mody milaza hoe “sarotsarotra ity fandidiana hatao aminao ity fa tsaratsara aminao ny mandeha any amin’ny tobim-pitsaboana tsy miankina dia mba azo antoka ny fandidiana ny fiterahanao”. Dia roboka ianao satria te hanana ny soa. Gaga ianao fa isan’ireo mpitsabo handidy anao, na izy mihitsy no lehibe mpitarika an’ireo mpandidy ny havanao amin’izao any amin’ilay tobim-pitsaboana tsy miankina.
Mampalahelo ilay toe-tsaintsika fa efa lo tanteraka.
Izay manana sombin’andraikitra rehetra ve izany dia hanararaotra avokoa an’izany satria sitrany ahay aza misy hohararaotina?
Taratry ny rafi-piaraha-monina ankapobeny eto amin’ny tany sy ny firenena izany, ary isan’ny mahamaika ny hirosoantsika amin’ny tena fanovana mba hahafahana manorina fiaraha-monina vaovao.