Fitondrana Hvm: Mandrovi-tsihy

Rehefa ny mpitondra fanjakana no tonga amin’ny vanim-potoana iray tsy manaiky hihaino ny hafa ka minia manentsi-tadiny, ary manomboka mampiasa herim-pamoretana sy mpikarama an’ady, ka mihevitra ny hisambotra ny mpifaninana politika aminy na ny olona izay mijoro amin’ny heviny ka ahiany hikitikitika ny tombontsoan’izy mpitondra manokana,…, dia efa mandindona azy izay ny handao an’ilay toeram-pitavananany sy fanamparany fahefana.

Efa hatramin’ny taona 2015 no nahitana taratra an’izany tamin’izao fitondrana Hvm izao, ary ny tranga sasantsasany aza moa dia efa tsikaritra tany amin’ny taona 2014 tany, raha vao tafakatra teo amin’ny toeram-pitantanany i Hery Rajaonarimampianina.

Teboka iray nikasan’ny fitondrana Hvm hamaliana faty ny sokajin’olona ahiany hikitikitika ny fitavanany ny sabotsy teo, nandritra ny hetsika nokasan’ny « Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana » (Mmf) ho natao tetsy amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina ny fisamborana an’ireo tsy levon’ny vavoniny.

Raha nandeha ny fanasana ny vahoakan’Antananarivo tamin’io, andro maromaro tamin’iny herinandro lasa iny, dia tsy mba niteny mivantana tamin’ny haino aman-jery toy ny fanaony rehefa hampihorohoro ny vahoaka ny jeneraly Rakotomahanina Florens. Ny harivan’ny zoma aza izy, hoy ny tompon’andraikitra sasany tao amin’ny Mmf mbola niantso an-tariby an-dry zareo tao hoe « fehezo tsara ny olonareo fa ao anatin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nahazoanareo alalana fa raha vao mivoaka ny arabe ianareo dia tsy ekenay ».

Toa te hilaza ity manamboninahitra jeneraly mpitarika ny herim-pamoretana eto ity hoe « ekenay ny alalana azonareo avy amin’ny ben’ny tanàna hampiasa ny kianja mitafon’i Mahamasina fa tsy afaka mivoaka an’io ianareo ». Dia ahoana tokoa moa izany raha nihoatra satria tsy omby tao ny olona ?

Ny ampitso sabotsy anefa dia izy ihany indray no nampandefa an’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana nitaky ny handravana ny fikarakarana rehetra efa napetraka teny, na fanamafisam-peo na ny dongona (estrade).

Fa tao anatin’izany rehetra izany koa dia fantatra fa nisy voafonja efatra eny Tsiafahy, izay migadra mandra-pahafatiny eny, no nasain’ny fitondrana navoaka, ka nampanaovina iraka (mission) mifamatotra tamin’iny hetsiky ny Mmf tokony ho natao tamin’ny asabotsy teo iny. Fiara tsy mataho-dalana (4x4) miloko mainty (sy fitaratra matroka ) no nitondrana azy ireo, araka ny loharanom-baovao, ary nalefa niditra tao anatin’ireo vahoaka avy eny Mahamasina nifindra teny Andrefan’Ambohijanahary. Ny iraka nampanaovina an’ireo gadra navoaka teny Tsiafahy ireo dia ny hanakorontana teny Andrefan’Ambohijanahary, ary efa nisy olona hafa koa nokaramaina handroba teny Analakely. Efa nakarina teto Antananarivo ny marainan’ny sabotsy koa moa ireo mpikarama an’adin’i Rina Andriamandavy sy Claudine Razaimamonjy tany Fianarantsoa, izay nanafika sy nidaroka an’ireo mpikatroka « Mmf » tany ary naka an-keriny an’i Benjami Raharison tamin’ny alakamisy.

Ny nokendren’ny fitondrana hosamborina voalohany indrindra aloha tamin’iny sabotsy iny raha nandeha araka ny teti-dromotr’izy ireo sy ny paika maloto noho ny fandrovitan-tsihy ny raharaha dia i Holijaona Rabaonarijaona sy i Gangstababa.

Tetsy ankilany, niasa mafy koa ny mpitsikilom-panjakana tamin’iny sabotsy iny. Tsy mahagaga izany fa lojikan-javatra, ka ny tatitra nifampitan-dry zalahy ireo tamin’ny tompon’andraikitra tany ambony tany, dia nitanisan-dry zalahy ny anaran’ireo olona azo ambara ho lohandohan’ny mpisorona amin’ity hetsika ho firosoana amin’ny Fanorenana ny firenena ifotony ity.

Nisy avy hatrany moa ny setrin’izany tatitra izany hoe « raha vao mitranga ny fanakorontanana ataon’ireo mpikarama an’ady nampidirina tao anatin’ireo olona eny Andrefan’Ambohijanahary (ary isan’izany ny nampanaovina an’ireo gadra efa-dahy avy eny Tsiafahy), dia ataovy izay hahavoasambotra an’i Alain Andriamiseza, Sylvain Rabetsaroana, Soava Andriamarotafika (mpanao gazety), Hajo Andrianainarivelo, Masimana manantsoa, Pety Rakotoniaina, Riribe, Eugène (mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa), Camille Vital, Faharo, Holijaona Raboanarijaona, Hery Raharisaina, Pasteur Edouard, Pr Rasolofo René, Faniry Zafimanatany, Raharinaivo Rasamoelina, Rabe Auguste. Isan’ny voatonona fa tsy mpaintsy samborina koa satria hoe teny Andrefan’Ambohijanahary ny mpanao gazety sady tompon’ny La Gazette de la Grande Ile, Lola Rasoamaharo.

Nangaina anefa ny mpitondra jadona tamin’iny saboitsy iny fa tsy tafiditr’izy ireo tao anatin’ny vovo napetrany ho fandrika ireo mpitarika ny hetsika.

Ajouter un Commentaire