Cntemad: Hametrahana fianarana ambony amin’ny distrika 119

Tsy maintsy aparitaka manerana ny distrika 119 ny fampianarana ambaratonga ambony amin’ny alalan’ny CNTEMAD (Centre national de télé-enseignement de Madagascar) hoy ny taleny Andriamatoa Andrianambinina Djohary raha nilaza ny fanapariahana ity ivon-toerana ambony ity omaly alarobia faha 27 septambra 2016. Nambarany fa isan’ny tarigetran’ity oniversite ity ny manantona ny vahoaka ka tsy maintsy tanterahana manomboka izao izany. “Ny Cntemad”, hoy izy dia oniversite manakaiky ny vahoaka, “ka ireo olona afaka bakalôrea kanefa tsy afaka manohy ny fianarany ambaratonga ambony noho ny antony samy hafa dia afaka manaraka tsara ny fampianarana ampitain-davitra ao amin’ny Cntemad avokoa”. Ny ministeran’ny Fampianarana ambony no miahy ny Cntemad, ary diplaomam-panjakana tanteraka, ka mitovy amin’ny diplaoma avoakan’ny oniversite izay iandraiketan’ny fanjakana rehetra manerana an’i Madagasikara ny diplaoma omeny. Taranja valo no ampianarina ao amin’ny Cntemad amin’izao fotoana izao izay ahitana ny sampam-pianarana lalàna, fitantanana, ekonomia, varotra, serasera, infôrmatika, jenia indostrialy, ary fifandraisan-davitra. Manana mpianatra miisa 17 000 izy ireo tamin’ity taom-pianarana oniversite 2016 ity amin’ny foibe fianarana 34 manerana ny Nosy. Amin’ity taona ity no hosokafana ny ivon-toerana fianarana ao Manjakandriana ato amin’ny faritra Analamanga izay hisantarana ny fanatanterahana ny fametrahana ny fampianarana any amin’ny distrika 119 manerana ny Nosy. Maro amin’ireo toerana izay lavitra ny Renivohitra ny faritra izay efa misy ity fampianarana ity avokoa no hahazo tombotsoa amin’izany. Tanora an’arivony maro no ho afa-pahasahiranana amin’ny fitadiavana toerana fianarana ambony. Toa izany koa ireo mpiasa izay mbola maniry ny hianatra ka hanohy ny fampianarana ambony. Izao fanokafana ny fampianarana any anivon’ny distrika izao dia ho ezahina hatao ao anatin’ny fotoana maika araka izay azo atao indrindra.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire