INTY SY NDAY: Izay izany no hivarotanareo tanindrazana ?
Niteraka ady hevitra sy resabe teo amin’ny mpanara-baovao maro ny teny nataon’Ingahy Filohampirenena fa « mila vola 10.000 tapitrisa ka hatramin’ny 20.000 tapitrisa dôlara isika raha te hanainga ho amin’ny fampandrosoana. »
Volabe tsy toko tsy forohana izany, ho an’ny olon-tsotra, ary tsy takatry ny hoza-dohany ny habetsahan’izany raha hitany eo anoloany.
Ara-tarehi-marika dia toa mora resahina, ary toa tsy mihetsi-bolo-maso Ingahy Rajaonarimampianina nanonona azy.
Raha ampitahaina amin’ny sandan’ny harena izay itsikombakomban’ny mpitondra nifandimby teto koa anefa izany ka niondrana an-tsokosoko na ara-dalàna nankany ivelany, dia toa zinona sy varifitoventy ihany (andramena, volamena, vatosoa sarobidy, karazam-borona na biby tsy fahita afa-tsy eto, karazan-kazo na zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto…. )
Ampitahao amin’ny tarehimarika iray ange, ohatra, fa mahatratra 750 tapitrisa Euros isan-taona ny hazan-dranomasina robain’ny mpitsikombakomba amin’ny sasany ka tsy tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana e ! Mahatratra 50 taonina isa-taona ny volamena mivoaka eto. Raha heverina na tombanana ho 500.000 iamg ny iray grama dia manodidina ny 25.000.000 tapitrisa iamg izany. Raha avadika amin’ny dôlara io dia any ho any amin’ny 1.700 tapitrisa dôlara any (1, 7 miliara dolara). Ny vatosoa sarobidy faran’ny tsara karazana eto ambonin’ny tany koa, toy ny safira dia avy eto Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’izany ny emeraoda sy ny hafa.
Izahay dia mihevitra fa ny androatokon’io 10.000 tapitrisa dôlara io dia tokony ho vitan’ny sandan’ny harem-pirenena mivoaka antsokosoko eto. Dia ampiana ny mivoaka ara-dalàna, toy ny cobalt sy ny nickel, ny fasimainty avy ao amin’ny Qmm, ny kraomita, sy ny hafa ? Eo koa ny harena an-dranomasina sy an-dranomamy, na lamatra (thon) izany na makamba (crevette) sy ny orambe na « langoustes ». Marobe e !
Tsy hampananosarotra antsika ny mahita an’io 10.000 tapitrisa dôlara io fa ny finiavana pôlitikan’ny mpitondra hampitsahatra miaraka amin’ny vava ny fanamparam-pahefana sy ny tsikombakomba maloto amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena eto no tsy misy. Ny finiavana pôlitikan’ny mpitondra mba hanavao ny fifanarahana amin’ireo orin’asa mpitrandraka harena eto ka manambaka ny Malagasy no tsy misy. Ny finiavana pôlitikan’ny mpitondra hamongotra miaraka amin’ny vava ny kolikoly avo lenta manomboka any an-dapa any no tsy misy. Ny finiavana pôlitikan’ny mpitondra tsy hifampiraharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny fakana fanamarinana (certification) momba ny fananan’i Madagasikara ao an-kibon’ny tany ao, mba ahafahana manangana fiaraha-miombona antoka ho amin’ny fitrandrahana azy ireny ho amin’ny tsombontsoa iombonana, ka tsy hampandeferana ny tombontsoam-bahoaka, no tsy misy. Ny finiavan’ny mpitondra hiady ny fanaisorana an’i Lafrantsa ao amin’ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika izay misy harena tsy toko tsy forohana no tsy misy, sy ny maro tsy ho voatanisa e !
Raha misy hevitra na fikaroham-bola mba ataon’ny mpitondra, hatramin’izay ka hatramin’izao, dia ny vola hampihodinana raharaha bitika etsy na eroa no ataony, ary ny fiandrandrany tombontsoa manokana amin’izany no mahamaika azy.
Izany no mahatonga ny mpitondra nifandimby teto nihazakazaka nifampiraharaha tamin’ny sehatra iraisam-pirenena hivarotra tanindrazana amin’ny endriny maro. Iray amin’io endriny maro io ny fivarotana ny orin’asam-pirenena tamin’ny vahiny (Solima, Telma, …) . Tsy lavitr’izany ny zava-misy ampiharin’ny fitondrana ankehitriny iarahantsika mahita izao.
Ralay