Leader Fanilo: Mbola tsy vita ny adin’i Jean Max sy Babaly
Mitohy ary mbola tsy vita ny adin’i Jean Max Rakotomamonjy sy ingahy Mahosindrahaja Heriniaina antsoina hoe Babaly izay samy mpikambana mpitantana ao amin’ny antoko Leader Fanilo. Mahakasika ny tsy hampiasan’ingahy Babaly ny sary famantarana ny antoko sy ny fanafoanana ny filankevi-pirenena izay natao tamin’ny volana jolay lasa teo no anton’izany. Ny mpisolovava an’i Babaly, ingahy Eric Andrianahaga no nanambara ny fahitany iny raharaha iny omaly alarobia faha 28 septambra 2016 tetsy Antaninandro tao amin’ny trano fiasan’ingahy Lalaina Berthnes. Raha tsorina ny fanambaran’ity mpisolovava ity dia mbola tsy misy ny didy fampiharana ny fampiatoana satria mbola nampiakatra amin’ny “cour d’appel” na ny fitsarana ambony ny voadidy tao amin’ny fitsarana voalohany. Manaraka izay dia efa vita ny filankevitra nasionaly natao vao nivoaka ny didy tonga tany amin’i Babaly, hoy ihany izy. Ny voalaza koa dia i Babaly ihany no iantefan’io didy io fa tsy ny mpikambana rehetra raha toa ka misy ny fampiharana izany satria misy ny fanapahan-kevitra ny fitsarana izay tsy mazava ao amin’ity raharaha ity. Mihantona ny raharaha, hoy ihany ny mpisolovava. Mametraka fanontaniana amin’ny didy navoakan’ny fitsarana ady maika ity mpisolovava ity satria lazainy fa tsy mazava eo anatrehan’ny fampiakarana ny raharaha amin’ny fitsarana ambony io. Tantara mitohy ity raharaha ity ka hohitantsika eo ihany. Mampanahy hoy ny mpikambana sasany ao amin’ny Leader Fanilo mpomba an’i Babaly fa mety misy tsindry avy any ambony ity raharaha ity.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao