Fiaran’ny Prezidansa: Nandratra olona tany Toamasina
Nahasorena ny mponina tao Toamasina ny fihetsika nataon’ireo mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ny alatsinainy lasa teo. Lehilahy iray nitondra irony antsoina hoe “cyclo-pousse” irony no nofaohin’ny fiara iray tao anatin’ny “cortège” nitondra ny filoham-pirenena tao Ankirihiry, ka naratra mafy ary simba hatramin’ilay “cyclo-pousse”. Toy ny olon-drehetra izay mety ho tratran’ny loza tahaka izao dia naneho fahatezerana tamin’ilay mpamily ny fiara nandona azy ilay mpitarika “cyclo-pousse” kanefa ity farany indray no niharan’ny fandrahonana avy amin’ireo mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Tsy nijanona teo amin’ny fandrahonana ihany anefa ireto olona tao anaty fiara ireto fa nisy miaramila iray nivoaka ary avy hatrany dia namelaka tehamaina an’ilay mpitarika posy. Tsiahivina ihany fa ny alatsinainy teo nihazo ny renivohitr’i Betsimisaraka ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka tamin’ny fotoana nivezivezeny tao an-toerana no nitragan’ny loza. Izany tokoa ny hoe rehefa manana fahefana, indrindra fa mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika dia sady afaka mandona olon-tsotra eny amin’ny arabe, no sady mandrahona, ary mamelaka tehamaina. Raha olom-pirenena tsotra no manao fihetsika tahaka izao nataon’ny mpiasa eo anivon’ny prezidansa izao dia azo antoka fa mety higadra eny Antanimora. Saingy manam-pahefana no voakasika eto dia tsy ho voakitikitika mihitsy na ny kely aza. Asa hoe aiza ho aiza ao anatin’izany toe-javatra rehetra izany ilay atao hoe tany tan-dalàna na “Etat de Droit” izay dradradradrain’ny mpitondra isaka ny mikabary.
F.Tsihiavonana