Fampianarana: Ampy ve ny fampiofanana fotsiny ireo mpampianatra ?

Raha miverina any amin’ny taona maro lasa isika dia mpampianatra ampy fahalalana no noraisin’ny fanjakana tany amin’ny fanabeazana fototra sy ambaratonga voalohany. Mpampianatra tsara ofana tao amin’ny Ecole Normale Mahamasina sy ny sekoly fampiofanana tao Ampefiloha no nanomanana ireo mpampianatra amin’ny EPP sy CEG. Ampy tsara tamin’ny fahitanay azy ny fahalalana, ny fahaizana mampianatra ka tena manana ny kalitao ny fampianarana. Anisany nivohitra tamin’izany ny fahaizana teny frantsay tany amin’ny EPP, CEG, Lycée. Tsy izany intsony anefa ankehitriny fa manomboka latsa-danja ny fampianarana sy ny fahaizan’ny mpianatra satria tsy ampy ny fanomanana ny mpampianatra fa amin’izao fotoana izao no mihazakazaka manao izany ny fanjakana. Tara fanomanana ireo izay hampianatra indrindra eo amin’ny fahalalana ankapobeny (connaissance générale). Koa ahoana moa no hampiakarana kalitao raha toa ka ilay mpampita fahalalana mihitsy no tsy manana ilay fahalalana fototra omena ny mpianatra ? Fa isany namela takaitra ratsy izay nitranga tamin’ny 1972 ka nitadiavana anaovana an-tery setra ny fanagasiana? Koa mbola tsy tafarina ny ankabeazan’ireo mpianatra nampianarana izany dia natao amboletra ihany koa ny fampianarana notantanin’ireo mpampianatra nanao fanompoam-pirenena (service national) tamin’ny repoblika faha-2. Izany no ilazainay hoe tsy vita moramora ny famerenana ny kalitaon’ny fampianarana ka tokony hiverina an-tsekoly hianatra ny pedagogie koa izay raisina ho mpampianatra ary tokony ho sarotiny amin’izany ny fanjakana.

B.R.

Ajouter un Commentaire