Inty sy Nday: Arovy ny indostria Malagasy aloha e !
Nisokatra teto Antananarivo omaly ny fivorian’ny tany miara-dia ao amin’ilay Rafitra ara-toekarena sy indostrialy antsoina hoe “Comesa”. Haharitra hafoloana izany, ka maromaro ny sehatra ifanakalozan’izy ireo hevitra amin’izany. Rehefa miresaka an’itony fiaraha-miasa amin’ny lafiny toekarena na varotra na indostrialy itony dia mby an-tsaina ny andraikitry ny fitondram-panjakana isanisany amin’ny fiarovany ny mpandraharaha ao aminy na ny orin’asa ao aminy.
Vantanina ny resaka fa isan’ny firenena tsy nahita mpitondra fanjakana nahavita niaro ny orin’asa indostrialy ao aminy i Madagasikara.
Porofo iray mitohoka amin’ny tenda ny manjo ny orin’asa Malagasy mpanao savony “Savonnerie Tropicale”. Ny fepetra iray ifampitondrana ao amin’ity vondron-tany Comesa ity dia milaza fa tsy itataovana haban-tseranana ny entana ifanakalozana ara-barotra eo amin’ny samy tany mpikambana. Misy anefa savony voalaza fa vita avy atsy amin’ny Nosy Maorisy no miditra eto Madagasikara, ary manafotra ny tsena eto. Tsy itataovana haban-tseranana izy io miditra eto satria hoe mpikambana amin’ny Comesa ny Nosy Maorisy. Rehefa nanaovana fanadihadiana anefa dia avy any Malezia no nanamboarana an’ilay savony fa novaina endrika fotsiny ilay izy tao Maorisy. Tsy tafiditra ao anatin’ny entana tokony tsy itataovana haban-tseranana izany io savony avy ao Maorisy io, saingy manjaka ny soloky, ary arovan’ny fitondrana any aminy ilay savony miditra eto. Ny mpitondra Malagasy anefa tsy mba miaro ny indostria Malagasy eo anoloan’izany. Hatramin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Comesa no tsy miraharaha ny fitoriana avy amin’ny “Savonnerie Tropicale”. Asa, tratry ny kolikoly koa ve, sanatria ?
Ka amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fivoriana faha-19-n’ny Comesa izao, ho afaka hiaro ny orin’asa indostrialy Malagasy ve ny mpitondra ?
Ohatra iray noraisina ihany ny “Savonnerie Tropicale” fa maro ny orin’asa indostrialy eto Madagasikara no tsy arovan’ny mpitondra fanjakana eto ka potika sy mitsipozipozy.
Ralay