Frankôfônia: Mihevitra ny Malagasy ho vendrana
Dimy andro sisa dia higadona ny fihaonana an-tampony ho an’ny tany miteny amin’ny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay na ny Frankôfônia. Eto Antananarivo no hanaovana izany fivoriana izany. Firenena 80 no handray anjara amin’ity fihaonana ity. Hihaonan’ ny minisitra sy ny teknisianina rehetra hikaonan-doha hijerena ny fandaharanasa izay hataon’ny fikambanambe ny telo andro voalohany. Miteraka resabe eto ammin’ny firenena ny fanatanterahana ity fivoriana an-tampon’ny frankôfônia ity. Tsy manaiky ny handraisana izany ny ankamaroan’ny Malagasy. Ankilany indray ny fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina milaza fa tombotsoan’ny firenena ny fandraisana fivoriana toa itony na dia mahantra fadiranovana aza ny Malagasy. Mampanantena volana sy kintana ho an’ny Malagasy ny mpitondra rehetra izay miseho vahoaka sy mandray fitenenana imasom-bahoaka sy amin’ny haino aman-jery isan-karazany. Fanindroany izao no nisy fihaonana an-tampon’ny firenena miteny amin’ny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay teto Madagasikara. Ny iray voalohany dia ny fanatanterahana ny lalaon’ny frankôfônia tamin’ny taona 1997, izay tena naresaka sy nampifaly ny vahoaka Malagasy manontolo ka nampiseho ny maha firenena tsara an’i Madagasikara. Niara-nientana ny vahoaka Malagasy manontolo nanatanteraka izany lalao izany. Fanatanjahan-tena sy kolontsaina nefa no notanterahana tamin’izany. Tena nampiseho ny maha Malagasy azy ny olona rehetra ka nipoitra ho azy ny maha firenena manana ny fiandrianana ho an’ny Malagasy. Gaga sy talanjona ny vahiny rehetra nahita izany ary ny Malagasy koa mba afaka nirehareha fatratra tamin’ny zava-bitany. Tamin’izany fotoana izany dia namporisihina ny Malagasy hampiseho ny tena maha Malagasy azy ka akory tokoa ny fahagagan’ireo vahiny avy amin’ny firenena mpikambana rehetra tao amin’ny frankôfônia tamin’ny fahitany ny fahendren’ny Malagasy sy ny fahaizany mandray vahiny. Tsy notenenina intsony ny vahiny tonga hizaha tany tamin’izany. Na dia mbola nandalo ny krizy sy ny disadisa pôlitika nitranga ny taona 1996, izay nionganan’ingahy Zafy Albert teo amin’ny fitondrana aza ny firenena tamin’io fotoana io dia voalaza fa i Madagasikara no firenena nahavita nikarakara ny lalaon’ny frankôfônia tsara indrindra hatramin’izay rehetra vita teo alohany, ary natao fakan-tahaka sy môdely. Koa satria ve nandeha tsara ny fihaonana tamin’ny taona 1997 iny, raha avy nandalo krizy i Madagasikara, dia heverina fa handeha toa izany koa ny fihaonana an-tampony amin’ny taona 2016 ity? Avy hatrany dia tsia ny valiny ho an’ny Malagasy rehetra. Tsy mba nosakanana tsy hivoaka ny trano ny olona. Nampirisihina aza izy ireo ny hahay mandray vahiny. Tsy nalefa nohidiana amin’ny toerana iray ny “4’mi” sy ny olona mahantra eto Antananarivo. Tsy nisy fifandonana teo amin’ny mpivarotra sy ny kaominina tamin’izany fotoana izany, ary tsy nosakanana ny mpiasa manao an-tselika tsy hanao ny asany an-davanandro. Nandeha tsara ny asa andavanandron’ny vahoaka tamin’izany. Ny fanokafana sy ny famaranana ny lalao ihany no tsy nianatra sy tsy niasa ny mpiasa tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy olana toa izao hita amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny fotodrafitrasa rehetra handraisana izany. Nilamina tanteraka ny asa rehetra ary tsy natao tompon-trano mihono ny Malagasy tamin’ny fikarakarana sy ny fandaniam-bola rehetra tamin’izany. Tamin’ny ankapobeny dia tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny Malagasy ny fihaonana an-tampony tamin’iny taona 1997 iny. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy misy mazava amin’ny vahoaka Malagasy ny tena fizotran’ity fihaoanan an-tampon’ny frankôfônia ity fa tanan’ny fanjakana Rajaonarimampianina samy irery. Mahalala zavatra maro anefa ny Malagasy na izany aza ka na misy ny hevita ampitaka sy ny tetika ratsy rehetra mahakasika ny zavatra afenina ireo. Tsy maintsy habaribarin’ny marina ny zavatra afenina rehetra ao amin’ny fanatanterahana ny fihaonana. Mihevitra ny Malagasy ho vendrana sy kentrina ny mpitondra ankehitriny ka mampanantena volana sy kintana ho an’ny Malagasy amin’ny fanatanterahana ny fihaonana. Tiana ny mampahatsiahy fa 15 izay ny fihaonana nataon’ny Frankôfônia toa izao. Inona no mba tombotsoa azon’ny Malagasy? Toa ny fivoriana rehetra misy eran-tany ka andraisan’i Madagasikara anjara io ka tsy nahazoany tombotsoa manokana hatramin’izay. Trosa volabe miavosa ho an’i Madagasikara indray no tsy maintsy vokatr’ity fihaonana ity noho ny hambompon’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao