Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana: Tsy manaja vahoaka

Hatezerana sy fahasorenana ny an’ny maro nanomboka ny alarobia teo raha hiazo ny afovoan-tanàna tao Analakely tao, indrindra fa ny mpitondra fiara fa notapahin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina tsy nisy fampahafantarana mialoha ny fahafahana mampiasa ny araben’ny fahaleovan-tena. Nihahenjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana noho izany.

Rehefa nojerena dia tsy nisy antony goavana manokana tamin’iny alarobia iny no nanapahana ny araben’ny fahaleovan-tena fa “fankalazana ny krismasy niarahan-dRtoa Ben’ny tanàna, Rakotonirainy Lalao Ravalomanana, tamin’ireo solotenan’ny ankizy mpianatra avy amin’ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra”.

Tsy manamaivana izany hetsika izany ny maro fa mety ho nahita vahaolana hafa sy tsaratsara kokoa noho ny fanapahana ny arabe tsy hahafahan’ny mpampiasa lalana mizotra aminy raha tsy nihevi-tena ho tompon’ny araben’ny fahaleovan-tena ry zareo eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna.

Ekena koa anefa fa karazan’ny natao mahazatra isaka ny ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny ankatoky ny fetin’ny fahaleovan-tena tato anatin’ny taona vitsy izao ny fanapahana an’iny araben’ny fahaleovan-tena eo Analakely iny, saingy mba nisy ihany ny fanajana ny vahoaka ka mba nampahafantarina mialoha sy nampiomanina izy ireny. Fa ny tamin’ity dia natao andetrezana sy maina be ny fampiharana ilay fepetra. Efa tafiditra ao anaty fitohanana sy fikatsoana ianao vao gaga. Matetika aza, efa eo anoloan’ny lagaran’i Soarano vao zendana ny mpampiasa lalana mahita fa tapaka tsy azo anitsiana ny araben’ny fahaleovan-tena fa mihodidina any amin’ny “petite vitesse”.

Mbola mba misy fifampitondrana ombam-pifanajana azo atao ve eto amin’ity tany sy firenena na tanàna ity ? Jereo ny sary fa tafiditra tao anatin’ny valan’ny lapan’ny tanàna ireo ankizy niara-nankalaza ny krismasy tamin’ny fiadidiana ny kaominina, nefa ny lalana notapahina.

Ajouter un Commentaire