Morondava: Mirimorimo 200km/h ny asan-dahalo
«Tany tsy misy fanjakana intsony any aminay”, hoy ingahy Robertho Miadamanana, Ben’ny tanàna ao Bemanonga. Lany tanteraka ny ombin’ny tantsaha, tsy hita ny itondran’ny dahalo azy, ary tsy afaka eo anatrehan’ny dahalo ny mpitandro ny filaminana. Tsy ampisalasalana no ilazana fa misy ny tsikombakomba amin’ny olona mpitondra fanjakana aty an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana ary ny olom-boafidy amin’ity raharaha ity. Misy ny mpandio ny omby halatra any amin’ny kaominina ka manampy azy ny mpitandro ny filaminana ary misy koa ny olom-boafidy ao anatin’izany. Ny mpitondra omby amin’ny kamiao no isan’ny fototra ny asan-dahalo aty Morondava sy ny faritra Menabe, hoy izy. Ny tena mahagaga hoy ity ben’ny tanàna ity dia raha matin’ny dahalo ny fokonolona dia tsy misy resaka. Rehefa ny fokonolona no mahafaty dahalo dia loza ny mitranga fa fatoran’ny zandary indray izy ireny, ary tsy moramora no mahazo ny iray tanàna. Moa ve tsy midika izany fa ny fanjakana ihany no mampirisika ny dahalo hahazo laka ? Lany ny omby any Menabe, hoy ity ben’ny tanàna ity ka tsy maintsy lazaina izany fa very ny harena any aminay ary tsy misy intsony ny hivelomana. Ny osy sy ny ondry indray izao no lasibatra ny dahalo ankehitriny. Hatramin’ny mpivarotra hani-masaka toa ny trondro endasina sy ny henan’osy andrahoana eny amoron-dalana no efa ataon’ny dahalo lasibatra tamin’ny voalohan’ny volana desambra. Miantso ny fanjakana hijery izao raharaha izao ny ben’ny tanànan’i Bemanonga Robertho fa mijaly ny vahoaka ankehitriny.
Jesy Rabelaolao
Otrikafo: “Miroso amin’ny fitondrana jadona Rajaonarimampianina”
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alakamisy ny Otrikafo ka nitondran-dry zareo ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Navoitran-dry zareo fa “miroso mankany amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana mampihatra ny jadona ny fitondrana Rajaonarimampianina.” Ireny fisamborana olona nitranga nandritra ny fitondrana ankehitriny ireny, ny fanakantsakanana ny fahafahan’ny olona na antoko na fikambanana haneho hevitra, na ankalamanjana na anaty trano malalaka, na amin’ny haino aman-jerim-panjakana, na any amin’ny toerana tsy miankina fandraisam-bahiny, na aiza na aiza dia endrika isehoan’izany, hoy ny fanampim-panazavany. Tsy nihambahamba mihitsy ny Otrikafo nanipika fa “mahatsapa tena ho tsy manana hery intsony fa malemy ny fitondrana miroso mankany amin’ny fihetsika toa izany, ary fantatry ry zareo mpitondra koa”, hoy ihany Rajaonah Andrianjaka, “fa tsy hahatosika na hahasakana ny hetsi-bahoaka ry zareo dia mandrangaranga fampihorohoroana sy fandrahonana isaka ny mihetsikia amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana atao herim-pamoretana.”
Tsy nohadinoin’ny mpitarika ny Otrikafo ny nanamarika fa “izao fihetsika mifanohitra amin’ny demokrasia ataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina izao dia tsy voalohany na vaovao eto Madagasikara fa saika nampihatra sy nanao izany avokoa ireo mpitondra nifandimby teto, saingy niarahantsika nahita hatrany fa nailiky ny vahoaka avokoa izy ireny, ka mbola manamarina sy manaporofo koa izany fa tsy mahatohitra ny hetsi-bahoaka ny fitondram-panjakana iray na hampiasa ny herim-pamoretana rehetra eo ampelan-tanany aza.”
Fa tranga iray mampiavaka ny Otrikafo koa ny mitondra fanazavana momba ny fiankinan-dohan’ny mpitondra nifandimby teto Madagasikara amin’ny mpampisambo-bola avy any ivelany. “Vao avy nivory niaraka tamin’ireo ambara fa mpampindram-bola sy mpampiasa vola tsy miankina tany Parisy any Frantsa ny mpitondra fanjakana ankehitriny, izay ny filohampirenena Rajaonarimampianina mihitsy no nitarika azy ireo tany”, hoy ny mpitarika ny Otrikafo. Dia nirehareha sy nizahozaho fa hoe nahazo fampanantenana fampisamboram-bola hatramin’ny 10.000 tapitrisa dôlara. “Izahay”, hoy ny mpitarika ny Otrikafo, “dia manipika hatrany fa tsy fampandrosoana ny firenena Malagasy fa fanomezana tosika bebe kokoa ny fampandrosoana ny toekarenan’ny mpampitrosa ny fampisamborany vola toa ireny, ary tsy mety misintona lesona amin’ny tranga niainan’ny firenena Malagasy teto hatrizay ny mpitondra ankehitriny fa manara-davahana hatrany an’ireo lalana efa nizoran’ny mpitondra nifandimby teto nankany amin’ny famotehana ny firenena”. “Tsy hitondra fandrosoana sy fiarenam-pirenena eto ireny fanehoana fanampiana ara-bola amin’arivony tapitrisa dôlara ireny”, hoy izy, “fa vao mainka hamatotra antsika dia hahazoan’ny tompon-trosa mampihatra ny tetika malotony, ary efa isan’ny endrika isehoan’izany ny fivarotana ny fananam-pirenena maro teto ho an’ny vahiny, toy ny banky, ny orin’asa misahana ny solika, ny orin’asam-pifandraisan-davitra, sy ny maro hafa. Efa manomboka miroso mankany amin’izany koa ny Jirama amin’ny alalan’ny fanofana milina mpamokatra herin’aratra amin’ireo orin’asa vahiny na ny fividianana herin’aratra mivantana amin’ireo orin’asa vahiny ka amonoana antoka ho an’ny mpanjfa Malagasy. Toraka izany koa ny fitaterana an’habakabaka Air Madagascar, izay efa ny vahiny koa ny tompon’ny laka amin’izany”, hoy hatrany ny mpitarika ny Otrikafo.
Tsy nohadinoin’ny Otrikafo koa ny nanipika fa “endrika isehoan’ny fivarotan-tanindrazana nataon’ny mpitondra nifandimby teto ary mbola amafisin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, ary mampibaribary ny fandrobana ny harem-pirenena ny zava-misy amin’ny fihanahan’ny vahiny toa ny Sinoa amin’ny faritra maro eto, mitrandraka volamena sy vatosoa sarobidy, ny zava-nitranga ampolon-taonany maro tany amin’ny faritra itrandrahan’ny Kraoma ny Kraomita Malagasy, ny tetik’asa goavana itrandrahana harena ankibon’ny tany amin’ny sehatra hafa maro…”
Fa tsy nohadinoin-dRajaoanah Andrianjaka ny nanisy fitenenana momba ny tsy fahasahian-dRajaonarimampianina mijoro mitaky ny fialan’i Lafrantsa ao amin’ireo Nosy Malagasy manodidina an’i Madagasikara ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. “Tsy ny maha-Nosy Malagasy azy ireo ihany no maha-rariny ny fitakiana ny fialan’i Lafrantsa amin’izy ireo”, hoy hatrany ny Otrikafo, “fa ny harembe tsy hita pesipesenina ao ambanin’izy ireo koa, izay lasan’ny Frantsay fotsiny nefa tokony ho antoky ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena eto, tokony ho fanoitran’ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany ilain’ny asa fampandrosoana eto, tokony ho antoky ny fanaisorana ny vahoaka Malagasy amin’izao fahantrana iainany izao”.
“Fitohizan’ny fampahantrana ny vahoaka Malagasy no ho tohin’ny fitantanana ataon’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao ka tsy maintsy avotana ny firenena sy ny vahoaka fa tsy azo avela hanohy izany famotehany ny Malagasy izany ireo mpitondra ireo”, hoy izy.