Inty sy Nday: Noely miangatra

Hitsingerina rahampitso alahady indray ity ny Krismasy na ny fetin’ny Noely, faha-25 desambra. Isa-taona, toa izao, dia mifampirary soa ny tsirairay mba hankalaza ny “Krismasy sambatra”. Dia maniry ny rehetra mba hiova ny ho avy rehetra ka mba hahita izay iriany ny maro.

Hatreto anefa dia tsy mbola hita manangasanga akory ny vokatr’izay soa nifampirariana sy fahasambarana nirian’ny maro izay. Mbola ao anatin’ny fahantrana hatrany ny maro, ary miha-mafy sy mitombo ny vaikan’io fahantrana io. Ny ampahany vitsy amin’ny Malagasy anefa, manontany ny ory, satria rehefa hankalaza ny Noely rahampitso alahady, dia efa nanapaka ny fandaharam-potoanany fa hiara-hisakafo any amin’ny toerana manokana ho amin’izany, izay mananika ny 80.000 ariary ny anjaran’olon-tokana. Miangatra e !

Misento tokana ny maro hoe “fa dia sanatria ve, voaozona ny Malagasy maro ka tsy ho afaka ao anatin’izao ziogan’ny fahantrany izao mandrakizay?” Sanatria ve dia ho mandrakizay koa ny fiangarana eto anivon’ity tany fandalovana ity ?

Aoka aloha vantanina sy tsorina ny resaka fa tsy misy ozona mandaitra izany, tsy misy latsa mandaitra izany, fa fomba entin’ny sasany amendrofendroana ny hafa ny filazany hoe “voaozona” na “niantefan’ny latsa” na “notodian’ny natao”. Resaka siansa ny pôlitika ary toe-tsaina siantifika no andinihana ny raharaham-piaraha-monina, ka ndeha hojerentsika araka ny zava-misy ny toe-draharaha. Ombieny ombieny izahay teto dia nanipika fa raha mbola mpitondra fanjakana miankin-doha amin’ny vola zanahina amin’ny any ivelany no mitana ny fahefam-panjakana eto, raha mbola ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena no iankohofan’ny mpitondra isa-maraina eto, raha mbola tsy manana faharesen-dahatra hiantehitra amin’ny vahoaka ary hatoky ny harena ananan’ny firenena Malagasy ny mpitondra isan’ambaratonga eto, raha mbola ampanjakaina ny kiantrano an-trano eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, raha mbola mahazo vahana ny kolikoly avo lenta sy ny tsikombakomba maloto, raha mbola mavesa-danja ao an-tsain’ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratonga ny fananarotam-pâhefana amin’ny endriny maro, ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fanodinkodinana ny volam-panjakana, ny fampiasana ho amin’ny tombontsoan’ny tena manokana ny fitaovam-panjakana, raha mbola olona tsy nahalala ny antsoina hoe “pôlitika” raha tsy teo anivon’ny fitondrana no mitantana ny raharaham-pirenena, raha mbola sokajin’olona mivonona ny hivarotra ny fahaizany mba hikatsahana tombontsoa manokana ho azy sy ho an’ny havany sy ho an’ny namany mbamin’ny ho an’ny mpiray antoko aminy no mitantana ny raharaham-pirenena isan’ambaratonga… sy ny maro tsy ho voatanisa, dia mbola hitohy hatrany ny fankalazan’ny ambanilanitra izany fetin’ny Krisimasy ao anaty fahantrana feno fiangarana  izany.  Etsy ankilany, tsy fahakiviana no ampanjakaina eo amin’ny fiainana fa fitokisana, ka raha izao no manapa-kevitra ny vahoaka Malagasy fa esorina miaraka amin’ny vava eo ampelan-tanan’ny mpitondra ankehitriny ny fahefam-panjakana, ary tsy omena an’ireo sokajin’olona efa nampibaribary ny fiankinany loha amin’ny any ivelany sy izay rehetra efa nitantana teto, fa olona tena manao pôlitika, tia tanindrazana, tsy miankin-doha amin’ny any ivelany, sady miaro toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena no mitondra, raha olona resy lahatra amin’ny lanjan’ny herim-bahoaka ary miantehitra amin’ny harem-pirenena, …, dia tsy miandry dimy taona izany dia efa higoka ny anjara-masoandroany sy ny mamy nomen-janahary ho azy ny ambanilanitra eto, ary mety amin’ny Krisimasy amin’ny taona 2017 aza dia efa ho hita taratra ilay “tsirim-pahasambarana nifampirariana hatrizay” ka ho nofy sisa ilay Noely miangatra.

Rainisoa

Ajouter un Commentaire