Claudine Razaimamonjy: Namoahana didy fampisamborana ?

Isan’ny ady hevitra mahazo vahana eo anivon’ny mpanara-baovao politika ny maha-olona tsy maty manota an-dRtoa Razaimamonjy Claudine Ingahy filohampirenena moa dia nindrana hatrany ny tenin’ireo mpitondra teo aloha nodimbiasany hoe « avelao ny fitsarana hanao ny asany amim-pilaminana ».

Raha ny momba an’ity raharaha maha-voatonona matetika an-Drtoa Razaimamonjy Claudine ity, toa ny raharaha Ambohimahamasina Ambalavao sy ny resaka 396 tapitrisa ariary, dia efa in-telo nandefasana taratasy fiantsoana (convocation) izy, hoy ny tompon’andraikitra fa tsy nipoitra.

Tamin’izany no nahenoana feo fa hoe miafina eny Mavoloha izy.

Dia nohararaotiny izay feo toa niniana naely izay, nisehoany ka nilazana hoe « tsy niafina aho na nitsoaka fa ity hitanareo manohy ny asako andavanandro ity ».

Dia ireny koa fa toa niniana nasongadina tamin’ireny fihaonambem-paritry ny Hvm tany Fianarantsoa ireny.

Ingahy filoha nasionalin’ny hvm, Rivo Rakotovao moa mody manao resaka diplaomatika hafahafa raha nanontaniana ny raharaha Razaimamonjy Claudine ka nanamarika « tsy manana andraikitra ao amin’ny Hvm io olona io ary tsy ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Hvm no ndeha hialokalofany amin’izay raharaha mety anenjehan’ny fitsarana azy ».

Ny dikan’izany rehetra izany, samy manipy ny baolina sy ny andraikitra any amin’ny Fitsarana sy amin’ny fampiharana ny lalàna mba hanjakan’ny tany tan-dalàna na ny filohampirenena na ny filohan’ny Hvm.

Dia ho azo inoana àry ve fa Ingahy Rajaonarimampianina dia haneho finiavana ka hanaiky ny hanagadrana an-dRazaimamonjy Claudine raha hita fototra ny heloka nataony ?

Asa aloha na karazana sinema na tena fampiharana ny fepetra takian’ny lalàna tokoa fa ny re dia nandefasana didy fampisamborana i Claudine Razaimamonjy, satria tsy afaka ny tsy hiroso amin’izany ny tompon’andraikitra. Ny an’i Augustin Andriamananoro aza, hoy ny mpitazana, tsy nisy taratasy fiantsoana akory fa ny fampisamborana no nampiharina avy hatrany dia izy any amponja miandry ny didim-pitsarana rahampitso talata iny, ka aiza ho aizan’izany ny raharaha mahavoasaringotra an-dRazaimamonjy Claudine ?

Ny alehan’ny ady hevitry ny olona sasany indray dia manampy trotraka ny raharaha ka hoe « tsy tokony hadinoina fa lehiben’ny faritra Mahatsiatra ambony i Rina Andriamandavy tamin’ireny raharahan’Ambohimahamasina ireny, ka na tsy mbola fantatra fa mety ho isan’ny tompon’andraikitra tamin’io raharaha io izy tamin’izany, dia manomboka tsinjon’ny maro fa miady mafy ity filoha lefitry ny Antenimierandoholona ity hanotofana ity raharahan’Ambohimahamasina ity satria raha mandeha dia isan’ny tsy ho afa-bela izy.

 

 

Fetin’ny krismasy: Faritra maro no nahitàna fahatapahan-jiro

Taorian’ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Mahafaly Olivier, ny 16 desambra lasa teo, dia tsy nisy firy intsony ny delestazy raha ny teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Na izany aza, mbola nahitàna an’izay fahatapahan-jiro izay tamin’ny fokontany maro, ny alin’ny sabotsy sy omaly nandritra ny krismasy. Tsy tahaka ny mahazatra izay fahatapahan-jiro izay satria tsy maharitra minitra na ora maromaro toy ny teo aloha intsony fa tapatapaka ao anatina segondra na minitra vitsy.

Isan’ireo faritra voakasik’izany ohatra ny teny amin’iny Atsimondrano rehetra iny, Anosibe, Andavamamba sy Ambodivona. Tamin’ny ankapobeany, raha ny teto Andrenivohitra dia tsy nahitàna an’izay fahatapahan-jiro matetika izay. Tsy fantatra moa izay  tohiny amin’ity resaka delestazy ity satria raha ny fahitan’ireo mpandinika ny raharaham-pirenena azy dia mbola hiverina

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire