Fifidianana ho avy: Hiantohan’ny Ceni hatrany ny tsy hahafaty manota ny mpitondra ?
Miseho mihetsiketsika aoka izany ny Vaomierampirenena mahaleotena momba ny fifidianana na Ceni, ka miezaka mampahafantatra ny besinimaro ny asa ataony. Raha ny marina tokoa mantsy, tsy fantatry ny vahoaka hoe « hay ve misy Ceni miasa na tsy fotoam-pifidianana aza ? » Dia mamory ny sokajin’olona maro ny Ceni, ary manampy akaiky azy amin’izany ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny sampana misahana ny fampandrosoana ao na ny Pnud. Ny Pnud izay mieritreritra koa an’i madagasikara ho toy ny any amin’ny tany efa mandroso ka eo ambony latabatra no iheverana fa ahafahana mampanjaka ny fahamarinana reyhefa tongan y fotoam-pifidianana.
Dia maka hevitra hanatsarana ny fifidianana ny Ceni, ka na mpanao politika na mpisehatra amin’ny firaisamonim-pirenena dia nantsoina.
Tsy misy maharatsy an’izany aloha, saingy ny tsy azo lalovam-potsiny dia hoe « nisy lalam-pifidianana hatrany teto hatramin’izay, ary isan’ny voarakitra anatin’ny lalam-pifidianana sazy miandry an’izay manao hosoka amin’ny voka-pifidianana, ohatra, na izay manery ny mpifidy ho tsy maintsy mandrotsa-bato ho an’ny mpifaninana «x » na « y ».
Ny Ceni moa dia miala andraikitra ihany matetika rehefa voakiana hoe « izahay ange ka tsy afaka manasazy ny mpandika lalàna »…
Fa ny Ceni, tsy azo lalovam-potsiny aloha, dia maneho fankatoavana hatrany teto ny voka-pifidianana nampitaina tany aminy na nahafantatra tsara izao aza ny Ceni fa nisy vokatra nateraky ny asa maloton’ny mpandika lalàna ao.
Raha ny marina dia te hanome antoka ny Pnud sy ny fianakaviambe iraisampirenena mpiara-miombona antoka aminy ny Ceni fa miasa, dia ny vahoaka no domboina ny sainy hoe « miasa izahay Ceni ary miezaka manatsara ny fepetra rehetra hiantohana ny fahamarinan’ny fifidianana. »
Dia nanaitra ny teboka iray navoitran’ny Ceni hoenti-manatsara ny lalàm-pifidianana. Tsy inona io fa ny momba ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.
Lokanga tsy atao ka mahabe voatavo, hoy ny fitenenana, amin’ny raharaha toa izany.
Taiza no nisy rafi-panjakana afaka nanakiana na nanao fanamarihana tompon’andraikitra iray na any anivon’ny distrika aza, ka manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana teto ? raha miresaka fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana isika dia aoka hotsorina fa ny mpitondra fanjakana amperin’asa matetika no mampiasa ny fahefam-panjakana ho amin’izany fampielezan-kevcitra mialohan’ny fotoana izany.
Ka iza no afaka hilaza fa « hisy olona afaka hanao ny fanenjehana ny tompon’andraikitra iray manao fampielezan-kevitra ho an’ny filohampirenena amperin’asa ? »
Tsy tokony hadinoina fa ny fandraran’ny mpitondrea fanjakana ny sokajin-kery politika ivelan’izy mpitondra ho tsy afaka maneho hevitra ara-politika, na anatin’ny haino aman-jerim-panjakana na ankalamanjana na anaty efitrano… , ny ezaka ataon’ny mpitondra mampiasa ny mpitandro ny filaminana ho herim-pamoretana amin’izay mikasa haneho hevitra… dia efa endrika iray azo itarafana ny fanaovana propagandy mialohan’ny fotoana satria ny fanazavan-kevitra ange ka efa fampielezan-kevitra e ! ny sasany anefa tsy avelanaoi hanao an’izany fa bodoinay irery ny fahafahan amùanao an’izany. Na ny mitokana zava-bita aza dia efa fampielezan-kevitra.
Ka ahoana ny hevcitry ny Ceni amin’izany ? Sa rehefa mbola tsy miteny hoe « fidio izahay » dia tsy mbola fampielezan-kevitra politika ?
Aoka hotsorina ny resaka fa ny asa ireharehan’ny Ceni fa ataony amin’izao fotoana dia tetika entiny iantohana ny fiarovana ny tsy maty manota eto e !
Raha tsy mino na tsy manaiky izany ianao dia itodiho ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsainan’ny tanàna tero tamin’ny volana jolay 2015 sy ny fifidianana loholona tamin’ny faramparan’ny volana desambra toa izao tamin’ny herin-taona 2015.
Dia mbola sahy hilaza ihany ve ny Ceni fa tsy miaro ny tsy maty manota ny Ceni tamin’ireny tranga isan-karazany niseho tamin’ireo fifidianana indroa miantoana farany teo ireo ?
Izahay aloha tsy mbola hilaza hoe « ny Ceni no ratsy na fositra » fa ny Ceni dia manaiky holalaovin’ny mpitondra fanjakana hikatsahan’izany mpitondra fanjakana izany ny tombontsoa politikany hatrany, ka fomba maro sy endrika isan-karazany no ampiasain’ny mpitondra amin’izany, dia voafatotra ao ny Ceni ka tsy afa-mihetsika .
Azo itondrana teboka azo tsapain-tanana na niaraha-niaina ange izao fanazavana izao raha ilaina e !
Mandritra ny fotoam-pifidianana na amin’iny vaninandrom-pifidianana iny aza moa misy tompon’anadraiki-panjakana manery mivantana amin’ny fampihorohoroana ny mpifidy ho tsy maintsy mandrotsaka ny safidiny amin’ny kandidan’ny antokom-panjakana, efa nohamarinin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni any amin’ny faritra, fa tsy misy akony e ! Toa ara-pahamarinana sy ara-dalàna hatrany ny vokatry ny fifidianana avy ao amin’iny na ireo birao fandatsaham-bato ireo !
Maro ny tranga azo tanisaina fa ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny dia mahafantatra ny zava-nisy tany rehetra tany e !
Dia samia velon’aina hiara-manaraka indray ny endrika isehoan’io fiantohan’ny Ceni ny mpitondra hanao ny jadony mba tsy haha-fdaty manota azy io.