La Gazette de la grande ile

Nosy Be : Tratry ny fisolokiana avo lenta ny « Pearls Tourism Malagasy”

Publié le 27 février 2020

Vondrom-barotra na “société” manana karazana “s.a.r.l.” ny « Pearls Tourism Malagasy ». Teratany Indianina no tompon’ny renivola miasa ao ary fananganana fotodrafitrasa ho amin’izany fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara izany no nataony tany Nosy Be Dzamandzar. Ny fitondram-panjakana Indianina no nanome ny vola ho an’ity vondrom-barotra ity mitentina 1.905.000 dôlara hananganaa an’io fotodrafitrasa io.

Raha itodihana ny lalana nizoran’ity vondrom-barotra ity dia nitsangana tany Inda ny Vondrom-barotra reniny antsoina hoe “Pearls Tourism Limited” ary ny ny faha-20 May 2011 no najoro teto Madagasikara ny rantsany mitondra ny anarana hoe “ Pearls Tourism Malagasy sarl”. Nanofa tany 400 Ha ao Nosy Be ity vondrom-barotra ity. Toerana hanaovana ny taranjam-panatanjahan-tena Golf no fototra ny tetik’asa ka ny volana jolay 2011 dia tonga nametraka ny vato fototr’io tetik’asa io tany an-toerana (Nosy Be) ny Masoivohom-panjakana Indianina niasa teto Madagasikara tamin’izany, dia i Azad Singh Toor. Ny taona 2013 no vita ny fotodrafitrasa rehetra, ka tsy ny kianja filalaovana Golf ihany no vita fa tao koa ny kianja filalaovana ny taranja tennis, dobo filomanosana, toeram-pisakafoana, toerana fitaizana vatana, toeram-pivarotana ary kianja fiantsonan’ny fiaramanidina helikaoptera.

Ny minisitry ny Fizahan-tany tamin’izany, dia i Jean Max Rakotomamonjy no nitokana izany rehetra izany ny faha-3 Aogositra 2013.

Nisedra olana voalohany tamin’ny mpitantana ity fotodrafitrasa any Nosy Be ity ny tompony satria nafindran’ilay teratany aostralianina nantsoina hoe “Naresh Sehgal” antsokosoko tamin’ny anarany ny renivola rehetra niasa tao ka nisy ny didy navoakan’ny fitsarana ny faha-24 Jona 2015. Nesorina tamin’ny andraikiny ilay Aostralianina ka i Marson Rafalarivo no notendrena sy nomena fahefana ny faha-30 jona 2015 mba hisolo tena ny Pearls Tourism Malagasy eto Madagasikara, ka izy no misahana ny fikarakarana ny fotodrafitrasa any Nosy Be

Nitohy tamin’ny fanomezana alalana an-dRafalarivo Marson ho afaka misahana ny kaontim-bolan’ny orin’asa any amin’ny Banky koa ny faha-23 Desambra 2015 ny fifamatoran’ny roa tonta.

Taorian’izay anefa no niseho ny fivadihan-dRafalarivo Marson satria niniany tsy nandefa ny tatitra ny asa nataony sy ny tatitra ny fitantanam-bola nosahaniny tany amin’ny Pearls Tourism Malagasy izay niverina tany Inda i Marson Rafalarivo na indray mandeha aza, eny na nandefasan’ny avy any Inda taratasy sy mailaka aza.

Nandritra ny 5 taona, izany hoe hatramin’izao, dia mahatratra 600.000 euros na 2.400.000.000 ariary ny vola nanjavona tamin’io fitantanan-dRafalarivo Marson io.

Tetsy ankilan’io dia nohorohoroin-dRafalarivo Marson ireo teratany Indianina tompon’ny Pearls Tourism any Inde tsy ho avy aty Madagasikara. Isan’izany ny hoe “loza ho an’ny vahiny mpampiasa volabe ny miditra eto Madagasikara”. Rehefa nantsoina tamin’ny finday indray izy dia milaza hoe “hovonoinay ianareo raha tonga aty na avy dia hosamborina ka hogadraina am-ponja”.

Vokatr’izany dia tsy sahy niazo an’i Madagasikara mihitsy ireo mpampiasa vola Indianina ireo, ary ny taona 2018 aza dia efa nisy teratany Indianina mpizahatany niisa 400 nikasa ho avy aty Madagasikara, nifanaraka tamin’ny “Pearls Tourism Malagasy”, saingy nihemotra satria hoe “firenena tsy azo antoka ara-pilaminana sy fandriam-pahalemana i Madagasikara”

Nandefa mpisolovava Indianina nankaty Madagasikara ny Pearls Tourism Malagasy nanana ny foibeny any Inda ka io no nilaza fa tsy misy olana izany any Madagasikara ary ilay fotodrafitrasa any Nosy Be dia efa mihapotika amin’izao fotoana fa tsy hita ny nanjavonan’i Marson Rafalarivo.

Dia tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana ireo tompom-bola, ka nanetsika ny raharaha eny amin’ny Fitsarana. Efa mirotsaka an-tsehatra manao ny fikarohana an’i Marson Rafalarivo ny fitsarana amin’ny alalan’ny pôlisy.

Nanamarika kosa ireto mpampiasa vola Indianina fa “mbola vonona ny hanarina ny fotodrafitrasa any Nosy Be ary manam-pikasana hanitatra ny sehatra hampiasany vola eto, saingy mba miandrandra ny fitondram-panjakana ry zareo hametraka ny antoka momba ny filaminana sy fandriam-pahalemana ary ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny mpampiasa vola”.

Ralay

Lire aussi