La Gazette de la grande ile

Sendika Fisema sy ny coronavirus : «Tokony tsy hisy tombo sy hala ny fanomezana fanampiana»

Publié le 14 avril 2020

Namboaka fanambarana ny foiben’ny Sendika Fisema, izay nosoniavin’ny Sekretera Jeneraliny, José Randrianasolo sy ny lefiny, Jean Gualbert Ravonjison.

Notsiahivin’ny fanambarana aloha ny ny didim-pitondrana laharana:2020-370 noraisin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny 04 Aprily 2020, izay tapa-bolana ireo fepetra noraisina noho ny fahamehana ara-pahasalamana tamin’ny didim-pitondrana Laharana: 2020-359 tamin’ny 21 marsa 2020.

Nomarihin’ity Sendika ity ny anton’izany, dia ny hoe “ho fanatsarana ny fiarovana ny mponina sy ho fanampiana azy ireo hanaja ny fepetra fihibohana, izay nitondrana fandaminana vaovao eny amin’ny fokontany mba hanamorana ny fizarana fanampiana ho an’ny olona/fianakaviana marefo, ary koa ny fepetra fahazoan’ny olona mamonjy ny tany niahaviany sy ny ankohonany.”

Tsapa anefa, hoy ry José Randrianasolo, fa mihamavesatra hatrany ny fahasahiranana isan-tokatrano, noho ny fikatsoan’ny toe-karena amin’ny ankapobeny ka mampitaraina ny olona noho ny fihenan’ny fidiram-bola.

Eo amin’ny tontolon’ny Asa, araka ny fanamarihan’ity Sendikan’ny mpiasa ity hatrany, dia misy ny orinasa - izay tena vitsy dia vitsy - no miezaka manaja ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika momba ny tsy fanaovana “chômage technique” sy ny fitsinjovana ara-pahasalamana ny mpiasa ary noho fahasahiranan’ izy ireo amin’ny fitaterana sy ny fivezivezena.

Navoitran’ny Fisema tao anatin’izany anefa fa “na dia eo aza ny fanamaivanana ny vesatry ny orinasa amin’ny fampiatoana ny fandoavan-ketra, ny fandoavana ny vola fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa ary ny trosa amin’ny banky, ny ankamaroan’ny orinasa dia manampy trotraka sy manararaotra ny fahasahiranan’ny mpiasa amin’ny fandroahana tsy ara-dalana sy ny fanaovana ramatahora sy jadona amin’ny mpiasa, indrindra ny fanosihosena ny zon`ny mpiasa amin’ny endriny samihafa, na izany eto an-dRenivohitra na any amin’ny Faritra”. Mibaribary ny tsy firaharahiana ny baikon’ ny Fitondrana, ny fanararaotana ny tsy fanajana ny zo fototry mpiasa ary ny tsy fahavononana hametraka sehatra ifampidihina, hoy ny fanampim-panazavan’ny Sendika Fisema.

Eo anoloan’izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanampim-panazavana ao amin’ny fanambarana, satria ny olona no loharanon-karena voalohany indrindra amin’ny fampiodinana ny toe-karena, ary izy ireo no maha-Firenena ny Firenena, dia mihevitra izahay Fisema, fa tokony tsy hisy tombo sy hala ny fiarovana ny olom-pirenena amin’izao valan’aretina CoronaVirus izao; indrindra eo amin’ny fanomezana tohana sy ny fitsinjarana ny fanampiana azo avy amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Ny ankamaroan’ny mpiasa mpikarama dia tsy misitraka ny asa mendrika ary maro no voasokajy ho olona/fianakaviana marefo, hoy ihany ity Sendika ity.

Miantso ny Fitondram-panjakana – indrindra ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Vola sy ny Ministera misahana ny Asa sy ny Lalana Sosialy – ny Sendika Fisema, handray andraikitra ka hampanaja an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana nataony tamin’ny vondron’ny Sehatra tsy Miankina tamin’ny 23 martsa 2020, sy ny toromarika fiarovam-pahasalamana, araka ny naoty laharana 027-MTEFPLS/2020 tamin’ny 26 MARS 2020;

Mangataka ny Ministera misahana ny Asa sy ny Lalana Sosialy koa ry José Randrianasolo avy amin’ny Fisema hampamory ny Filan-kevi-Pirenena momba ny Asa handinihina dieny izao ireo fepetra tokony horaisina aorian’ny valan’aretina.

Tsy nohadinoin’ity Sendikan’ny Mpiasa ity moa ny nankahery ny Mpiasa tsy an-kanavaka sy ny Vahoaka Malagasy amin’izao sedra mafy lalovan’ny Firenena izao ary mampirisika azy ireo hanaja ny toro-marika amin’ny fiarovana ny fahasalamana.

Nangonin-dRalay

Lire aussi