La Gazette de la grande ile

Fanonganam-panjakana : Misy fihetsika mampiahiahy mifampitohy

Publié le 05 juin 2020

Fanehoan-kevitra ihany ve sa fitarihana savorovoro miendrika fanonganam-panjakana no zavatra mitranga ankehitriny eto Madagasikara izao?

Raha mampifandray ny tranga niseho teto amin’ny firenena nanomboka ny voalohan’ny taona 2020 isika dia misy fihetsiketsehana ara-politika mampiahiahy izay miendrika fanozongozonana fitondrana fanjakana no hita taratra ankehitriny. Ny fihetsiketsehana izay tiana holazana amin’izany dia ireo nanomboka tamin’ny fihaonan’ingahy Ravalomanana Marc sy ingahy Hery Rajaonarimampianina tany Paris renivohitry ny fanjakana frantsay ny voalohan’ny taona 2020 ity. Naseho tamin’ny tambazotran-tserasera sy tranokala maro samy hafa ny fihaonan’izy roalahy ireo. Gaga ny mpanaraka ny vaovao politika sy mpandinika ny toe-draharam-pirenena nahita azy iny satria nampisehoana tamin’ny sary fa miara miasa indray izy roalahy filoham-pirenena efa tsy lanim-bahoaka ireto intsony. Niravona vetivety teo ny fifanalam-baraka nataon’ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny fanjakana nentin’ingahy Hery Rajaonarimampianina iny. Nifanaratsy sy nifanalabaraka imason’ny Malagasy manontolo raha tsy hiteny ilay fandraisana tanana tamin’ny fampihavanam-pirenena ny taona 2015. Maro ny fifanenjehana nifanaovan’izy roalahy ireto na mivantana izany na ankolaka. Tonga dia voavaky avy hatrany ny tian’izy roalahy ireto hahatongavana fa misy tetika fanonganam-panjakana izany.

Iza no vazaha niaraka amin’izy roalahy ireto amin’izany satria raha ny tantara teto amin’ny firenena ity no asian-teny dia niainga avy ao Paris renivohitr’i France avokoa ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara.

Ny fihetsiketsehana faharoa izay mifono fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny febroary 2020 izay dia ny raharaha tao amin’ny CENI( vaomieram-pirenena momba ny fifidianana) izay nanambaran’ingahy Thierry Rakotonarivo filoha lefitra. Nambarany tamin’izany fa tsy ara-dalàna ny fifidianana teto Madagasikara momba ny depiote sy ny filoham-pirenena natao ny taona 2018 ireny satria be dia be loatra ny hono ny “doublon” na ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy. Teo anatrehan’izany dia nihazakazaka ingahy Ravalomanana Marc izay filohan’ny antoko TIM fa avereno ny fifidianana. Nanampy azy koa ny antoko mpanohitra ny rodoben’ny mpanohitra hoan’ny demôkrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Niafara tamin’ny fametraham-pialany izany. Hita fa mifono fanonganam-panjakana iny raharaha iny. Iza no ao ambadik’izany?

Raha toa ka tsy nisy ny fahamehana ara-pahasalamana ity dia nazava tsara ny tetikady mifono fanonganam-panjakana izany. Nampifandray ny Malagasy ny “coronavirus” ity ka nangingiana ny resaka politika sy ny fihetsiketsehana. Nipoitra tampoka nefa izany taorian’ny fihaonan’ingahy Andry Nirina Rajoelina tamin’ny tamin’ny mpanao gazety frantsay tao amin’ny France 24 izay nitrangana ady hevitra mifono politika lalina momba ny “Iles Eparses” sy ny tambavy CVO (covid-organics) izay nampalaza an’i Madagasikara maneran-tany. Niteraka olana tamin’ny OMS (organisation mondiale de la santé) izany sy ireo fanjakana tandrefana maro.

Taoriana kelin’io dia niseho an-gazety teto Antananarivo ingahy Roland Ratsiraka ka nilaza fa foany any io fihibohana io fa avelao ny olona hikarama fa sahirana nefa ny aretina covid-19 dia manomboka mahazo vahana. Misy koa mpanao politika manambara izany, dia izao iarahana mahita izao ny vokatr’ity aretina ity fa efa hananika ny arivo no olona voa.

Tonga dia nandeha ny resaka fa misy ambadika fanozongozonana fitondrana fanjakana ao anatin’izany.

Dia tonga indray ity ny raharaha ny « colisé » na ny kianja masoandro ao amin’ny rova Manjakamiadana ny herinandro farany ny volana may 2020 ity ary mbola ambetin-dresaka amin’ny haino amanjery isan-karazany. Dia nipoitra indray ingahy Jeneraly Ramakavelo sy Ranjeva Raymond ary ireo mpomba azy ka nilaza fa tsy mety ny fanariana hasina ny rova ity. Efa ho volana maro nefa no nananganana izany nefa dia tsy niloa-bava izy ireo na kely aza fa nandrasana efa ho vita izao vao milaza izao sy izao. Tena manomboka misavoritaka ny sain’ny olona.

Tamin’ity herinandro ity dia nisy ny fihaonan’ingahy Ravalomanana Marc sy ny ambasadaoron’i Frantsa eto Madagasikara manokana indray. Inona no dikan’izany ary inona no tena tian’ny roa tonta hahatongavana? Naresaka be tamin’ny tranokala-tserasera “facebook” ity fihaonana ity.

Ny mahakasika ny korontana any Toamasina izay manao fihetsiketsehana ho fanoherana ataon’ny miaramila miady amin’ny “covid-19” nitranga ny alarobia faha 03 jona 2020 teo ireny dia fantatra ankehitriny fa mpanao politika no tao ambadik’izany.

Tsy tongatonga hoazy ireo ary tsy tongatonga hoazy koa ny fanambaran’ny K3F izay tarihin’ny komity ny fandriampahalemana sy ny fiadanana izay nanambara fa tokony hisy ny atao hoe fiarahana mitantana miaraka amin’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ity fikambanana ity izay môpera Prospera no mitarika azy ary ahitana olona avy ao amin’ny ankolafy maro izay mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena.

Toa izao tranga mitranga ankehitriny izao ny rivotra nitranga tamin’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972, 1991, 2001, sy 2009.

Tokony hitandrina ny fanjakana eo anatrehan’ireo tranga ireo. Variana loatra amin’ny fihibohana ara-pahasalamana nefa hita fa mandady ny trambo.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi