La Gazette de la grande ile

Covid-19 aty Afrika : Lasa aloha loatra ny fialàna tamin’ny fihibohana

Publié le 15 juin 2020

Tany amin’ny tapatapaky ny volana aprily lasa teo no nanomboka niala tsikelikely tamin’ny fihibohana ny ankamaroan’ireo firenena aty amin’ny kaontinanta afrikanina, ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Tamin’izany fotoana izany dia nanao fanambarana ny Talen’ny departemanta fanomanana momba ny aretina mifindra eo anivon’ny OMS, Sylvie Briand, fa mety hitarika fiparitahan’ny valan’aretina haingana ny fialàna aloha loatra amin’ireo fepetra ara-pahasalamana hiadiana amin’ny Covid-19, indrindra fa ny fialàna amin’ny fihibohana na ny “déconfinement”. Voaporofo taty aoriana fa mitombona ny teny nataon’ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny OMS ity satria raha mijery ny atontan’isa dia mitombo izay tsy izy ny isan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina Coronavirus eran’i Afrika, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara mazava ho azy. Efa maherin’ny 2 hetsy ankehitriny ny trangana Covid-19 aty amin’ny kaontinanta afrikanina raha toa ka maherin’ny 5 arivo kosa ny isan’ireo lavon’ny aretina. Vao tamin’ny alakamisy teo no nampitandrina indray ny Talem-paritry ny OMS ho an’i Afrika fa mila mailo ny Afrikanina satria haingana ny fivoaran’ny atontan’isa ary mampanahy mafy. Ankehtriny dia samy milaza daholo ny manam-pahaizana sy ny mpandinika fa lasa aloha loatra ny fialàna tamin’ny fihibohana tamin’ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina ka mahatonga ny valan’aretina tsy voafehy araka ny tokony ho izy intsony. Tsara tsipihana fa tsy tena sitrapon’ireo mpitondra afrikanina no niditra haingana tamin’ny “déconfinement” fa tsy afa-nanaotra izy ireo noho ny zava-misy ao amin’ny firenena misy azy. Lafiny ara-toekarena no tena antony nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mitrongo vao omana avokoa mantsy ny ankamaroan’ny mponina aty Afrika ka sarotra ny hampihatra ny fihibohana maharitra tahaka ny natao tany amin’ireo firenena mandroso. Noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny fipoahana ara-tsôsialy na vahoaka mitraotra ao amin’ny fireneny, dia aleon’ireo mpitondra afrikanina nanalefaka na niala haingana tamin’ny fihibohana. Inoana fa mitovy amin’izany koa ny teto Madagasikara, mety tsy afa-nanoatra ny fitondram-panjakana ka aleon’izy ireo nandeha tamin’izay lalana izay na tsy mbola voafehy tanteraka aza ny fihanaky ny valan’aretina. Tsy ho vitan’ny fanjakana rahateo ihany koa ny hanome fanampiana araka ny tokony ny fianakaviana rehetra sahirana ara-pivelomana eran’ny Nosy. Maro amin’ny Malagasy moa no milaza fa noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra sy ny fahadisoan’ny paikady napetraka hatrany amboalohany no mahatonga izao fihanaky ny valan’aretina eto amintsika izao. Tsy mitombona velively izany satria saika mitovy avokoa ny toe-draharaha misy amin’ireo firenena afrikanina rehetra, izany hoe haingana ny fitomboan’ireo tranga vaovao raha ampitahaina amin’ny isan’ireo sitrana. Ny tena olana lehibe aty Afrika dia eo aloha mazava ho azy ny tsy fahampian’ny enti-manana sy fitaovana entina miady amin’ny valan’aretina, fa eo ihany koa tsy fanajan’ny mponina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra na ny “geste barriere”. Raha izao moa no mitohy, mety hitombina ihany ny teny nataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Antonio Guterres izay nilaza fa olona an-tapitrisany no mety ho voan’ny Covid-19 aty amin’ny kaontinanta afrikanina.

F.Tsihiavonana

Lire aussi