Publié le 24 juin 2020
Araka ny lalàna velona eto amin’ny firenena dia indray mandeha isan-taona no tokony hanao tatitra ny asa vitany eo anivon’ny parlemanta ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demôkrasia, ny fanjakana tan-dàlana sy zon’ny olombelona (HCDDED). Araka izany dia tonga nanao tatitra teo anoloanan’ireo loholona tetsy amin’ny lapa maitso Anosikely ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra ity, omaly tolakandro. Tao anatin’izay tatitra izay no nahafantarana fa fitarainana na antontan-taratasy miisa 297 no voarain’ny HCDDED, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2019 ka hatramin’izao. Ny fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona no betsaka indrindra izay mahatratra 54,90%. Manaraka izay kosa ny fitarainana momba ny tsy fanajana ny tany tan-dàlana, 38,52%. Mbola vitsy kosa ny mikasika ny demôkrasia izay 7,37% monja. Fantatra ihany koa fa ny resaka ady tany no be indrindra amin’ireo fitarainana voaray eran’ny Nosy, mahatratra 61,11%. Ny tena misongadina ao anatin’izany dia ny fakàna tanin’olona an-keriny ataon’ireo olona mpanam-bola sy mahitahita eto amin’ny firenena. Tsara marihana fa tranga maro isan-karazany no nahazoan’ny HCDDED fitarainana, isan’izany ohatra ny trangana famonoana olona izay nitombo raha ampitahaina tamin’ny tany aloha, ny fanodiodinana ankizy tsy ampy taona, fandroahana mpiasa tsy ara-drariny, fanararaotam-pahefana sy tsy fanatanterahana ny didy avoakan’ny fitsarana, fitrandrahana an-tsokosoko ny harem-pirenena, fifanolanana amin’ny resaka fifidianana, eny fa hatramin’ny ady mivady. Mazava ho azy fa tsy mionona fotsiny amin’ny fandraisana fitarainana avy amin’ny olon-tsotra na fikambanana firaisamonim-pirenena ny HCDDED fa mandefa azy ireo any amin’ny seham-panjakana voakasika mivantana. Misedra olana anefa ity rafitra, ankehitriny, noho ny fihenan’ny teti-bola entina miasa 25%. Araka ny fanazavana nomen’i Ravony Pierre Le Noble, filohan’ny HCDDED dia tsy mihena ny asa vitan’izy ireo noho izay fihenan’ny teti-bola izay.
F.Tsihiavonana