Publié le 13 octobre 2020
Mbola olana lehibe eto amintsika ny tsy fananan’asa ary ireo tanora no tena voakasika amin’izany voalohany. Raha ny tatitra nataon’ny BIT na ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa, ny taona 2018, dia manodidina ny 15 isan-jato eo ho eo ny tahan’ny tsy fananan’asa ho an’ireo tanora izay maro an’isa eto amin’ny firenena. Aman’alina ireo tanora nahavita fianarana eto Madagasikara, isan-taona, saingy ampahany vitsy amin’izy ireo ihany no tafiditra amin’ny sehatry ny asa ara-dalàna. Manoloana izany toe-javatra indrindra dia hametraka paikady vaovao hiadiana amin’izany ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatajahantena. Misongadina ao anatin’izay paikady vaovao izay ny fananganana ny «Pole emploi jeune», karazana ivon-toerana hanampiana ireo tanora tsy an’asa eny ifotony. Araka ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny tanora eo anivon’ny ministera, Ratovoson Tahina Juliana, dia ireo tanora manana tetikasa eo amin’ny sehatry ny fandraharana no ho jerena manokana ao anatin’ity «Pole emploi jeune » hatsangana eny ifotony ity. Hahazo tombony kokoa ireo manana tetikasa amin’ny resaka fambolena, fiompiana sy fanodinana vokatra. Hisy ny fanampiana ireo tanora amin’ny lafiny fampitaovana, fa eo ihany koa ny fitadiavana lalàm-barotra eto an-toerana sy any ivelany mba afahan’izy ireo mihary ao anatin’ny fotoana fohy. Nambaran-dRamatoa Ratovoson Tahina Juliana fa fanamby hapetraky ny ministera ny hatongavan’ireo tanora mpandraharaha amin’ny tanjony, noho izany tsy maintsy hisy ny fanarahamaso akaiky avy amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Marihana fa tsy ny tanàn-dehibe ihany no hametrahana an’io ivon-toerana fanampiana ny tanora tsy an’asa io fa hatrany amin’ireo kaominina ambanivohitra eran’ny Nosy.
F.Tsihiavonana