Publié le 14 octobre 2020
Isan’ny nanamarika ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19 teto amintsika ny fampitàna ny vaovao mahakasika ny fivoaran’ny valan’aretina, isan’andro, nataon’ny profesora vololontiana Hanta Marie, mpitondra tenin’ny foibe fandrindrana sy ny fibaikona na ny CCO/Covid-19 eny Ivato. Maro tamin’ny Malagasy no nanaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny antontan’isa, indrindra fa tamin’ny fotoana niandohan’ny valan’aretina teto amintsika. Heverina angamba fa tsy misy tsy mahalala ny profesora Vololontiana Hanta Marie ny Malagasy, ankehitriny. Nandritra ny 7 volana latsaka kely mantsy dia tsy tapaka mihintsy ny fampitam-baovao nataon’ity farany, eny fa na dia vitsy aza sisa no manaraka azy, taty aoriana. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny CCO/Covid-19 eny Ivato, dia faranana hatreo aloha ny fampitana ny fivoaran’ny antontan’isa fanao isan’andro, fa manomboka eto dia isaky ny andro asabotsy sisa no fampafantarana izany. Heverina fa fanapahan-kevitra tsara izany satria raha ny hita sy tsikaritra, tato ho ato, dia olom-bitsy sisa no manaraka ny fandaharana isaky ny atoandro, ny tarehimarika rahateo koa efa mampiseho fa efa eo an-dàlana amin’ny fandresena ny valan’aretina isika eto Madagasikara. Araka ny fanazavana azo anefa dia mety heverina ihany io fampitana ny vavaon’ny Coronavirus isan’andro io raha toa ka misy fiovàna ny toe-draharaha eto amintsika.
F.Tsihiavonana