La Gazette de la grande ile

KOLO ANAKA : NY HAVIZANANA HATRAMIN’NY FAHARERAHAN-TSAINA (Fizarana fahatelo)

Publié le 14 octobre 2020

  1. Dr Raharison, misy ifandraisany ve ny harerahana sy ny fotoana na fomba fisakafoana?

Ny sakafo no angovo voalohany entina miady amin’ny harerahana. Ny fanajana ny ora fisakafoana sy ny karazan-tsakafo dia zava-dehibe eo amin’ny fahasalamana. Efa tsy manaraka ny toetrandro intsony ilay voam-bolana frantsay hoe : « Mameno kibo maraina toa ny mpanjaka, mihinana izay sahaza amin’ny atoandro tahaka ny printsy ary zara raha misakafo hariva toy ny mpangataka». Iaraha-mahalala tokoa fa sarotra tanterahana izany nohon’ny fahasarotam-piainana sy ny firotorotona misy ankehitriny. Ao koa ny adidy aman’andraikitra arak’asa sy ara-tsosialy ampian’ny fiovaovan’ny lamina ara-potoana eo amin’ny tsirairay. Voatery mizatra an’izany ny ankamaroan’ny olona saingy mahafa-po izany ho an’ireo izay manana asa mitaky hery sy tanjaka ara-batana.

  1. Efa miresaka ireo sakafo mahazatra ny daholo-be ianao ahoana no fahitanao an’izy ireny ?

Eo amin’ny fahazarana ara-tsakafon’ny mpiasa dia maro ireo manao kibo an-tsena nohon’ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fotoana hodiana. Manararaotra izany ny mpivarotra hani-masaka ka maniry ohatry ny anana eny an-dalambe rehetra eny ary indrindra eny akaikin’ny toeram-piasana. Mitobaka izay tsy izy ireny mpivarotra ireny ka lasa ny tombom-barotra mihoapapana no imasoany fa very tanteraka ny kalitaon’ny sakafo sy fitandrovana ny fahadiovana. Voatsikera matetika ny sakafo tsy tomombana ara-pahasalamana (malbouffe) any am-pita izay ankafizin’ny ankizy sy ny tanora tokoa. Mihoatra lavitra noho izany ny zava-misy eny amin’ireny mpivarotra hani-masaka eny amin’ny sisin-dalana aty amintsika. Tsy ampy ny fanaraha-maso, manampy trotraka ny fampiasana akora simika isan-karazany manome endrika, loko sy tsiro isarihana ny mpihinana. Manginy fotsiny ny fahazaran-dratsy mahazatra an-tsika amin’ny fitiavana sakafo be saosy sy be menaka.

11.Inona no voka-dratsin’ny sakafo tsizarizary eo amin’ny fahasalamantsika ?

Tsipihiko manokana ny teny hoe mpanjifa. Misy heviny roa io matoanteny io. Ny voalohany dia midika hoe mandrapaka (consommer) na koa manao telimoka sy tsy ampieritreretana na tsy am-pisainana. Ny heviny faharoa dia mikasika olona iharan’ilay hetsika na koa tsy mana-tsafidy fa noho ny tsy fidiny na ny zava-misy dia mitelina izay rehetra omena azy. Hitanstika eto fa tsy mitovy ny hoe mandrapaka (consommer) sy ny hoe misakafo (se nourrir). Amin’itsy faharoa dia jerena ny kalitaon’ny akora fanamboarana sy ny fomba fandrahoana azy. Ao amin’izany koa ny hevi-dehibe milaza fifampizaràna satria ny sakafo dia natao ho zaraina am-pifaliana eo anivon’ny ankohonana na ny namana. Manamafy izany ny fototry ny teny hoe « nourrice » amin’ny teny frantsay izay raha adika tsotra dia ilay olona (reny) mampinono na koa manome sakafo mahavelona ny zaza.

Andeha hiverenantsika ny voka-dratsin’ny fihinanan-kanina tsy ara-dalàna eny amoron-dalana rehetra eny. Mety ho mafilotra izy ireny fa rehefa tafiditra any anaty vatana dia mety misy voka-dratsy na « effets secondaires ». Io dia mety mitranga avy hatrany na aoriana kelin’ny fihinanana azy. Mety mahatsiaro voky na koa mizihitra ny kibo ka mety miteraka tsy fahasalamana ny fihinan-kanina tsy ara-pahasalamana sy ratsy karakara.. Avy amin’izany no mety misy ny tsy fahalevonan-kanina, ny alerzia, ny fanapoizinana ny vatana ka ho tonga hatrany amin’ny aretina sarotra tsaboina izay misoka miadana.

Raha fintinina, ny sakafo tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana dia manome tsy faha-lavorarina sy tsy fahampiana eo amin’ny hotrik’aina ka mahatonga ny olona ho marefo sy kely hery eo am-pamitana ny asa aman-draharaha izay sahaniny.

Nangonin’i Tatiana (hitohy)

Lire aussi