La Gazette de la grande ile

Politika : Mizara roa ny mpanohitra

Publié le 02 novembre 2020

Nipoitra ny hery fahatelo eto Madagasikara izay milaza azy fa hery ampovoany manomboka amin’izao fotoana izao. Nampitondraina ny antsoina hoe DINEKE (dina iombonan-kevitra)ity fikambanana na vondrona politika ity.

Karazan’olona roa samy hafa no ao anatin’ity vondrona politika ity dia ny antoko sy fiarahamonim-pirenena izay nanana firehana tany amin’ny mpanohitra. Mitarika izany ingahy Serge Zafimahova sy Raveloson Costant avy amin’ny MFM sy TIM Ravalomanana Marc, izay miseho azy ho mpanohitra ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina amin’izao fotoana izao.

Ny vondrona faharoa dia ny mpomba ny fanjakana ankehitriny nefa tsy ao anatin’ny fitondrana nefa tsy ao anatin’ny IRD sy ny TGV ary ny Mapar fa manana ny fomba itiavany manokana an’ingahy Andry Nirina Rajoelina amin’ny fomba fanohanana azy. Misy koa fiarahamonim-pirenena momba azy ity izay hita fa ingahy Virapin Ramamonjisoa avy amin’ny antoko « Virapin group » no misy azy. Tena tsy tia mainty an’ingahy Ravalomanana Marc mihitsy izy ireo.

Ny DINEKE izany dia azo lazaina fa tsy nitovy fomba fijery amin’ingahy Ravalomanana Marc intsony matoa nisafidy ho eo ampovoany toa izao. Tsy mankasitraka ny Rodoben’ny mpanohitra koa izy ireo. Iza moa no tsy hahalala an’izany Raveloson Costant izany amin’ny fitarihina olona tao amin’ny Magro sy ny TIM ary ny fanoherana ? Nivadika nefa ny raharaha ankehitriny.

Tsy dia mahagaga loatra koa nefa raha toa ka nisy ny fizaran’ny mpanohitra ho roa izao satria ny tantara dia manambara fa tsy mitovy ny fomba fahalalana ny dikan’ny politika izay tarihin’izy telo lahy ireto dia Serge Zafimahova,Virapin Ramamonjisoa ary Raveloson Costant ireto satria dia fantatra fa manana fomba fijery bebe kokoa ny atao hoe politika sy ny repoblika ary any fenitry ny tany tan-dalàna izy ireo. Azo lazaina fa manana fomba fijery malalaka izy ireo satria niaina tao anatin’ny politika hatramin’ny fahazazany raha ny tantara no lazaina. Efa nanana traikefa koa tamin’ny antoko politika lehibe teo aloha avokoa izy ireo.

Ny ankilany indray izay tarihin’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao dia mazava ho azy fa resaka bontolo sy fitadiavana toerana ihany no tanjona. Tsy manana eritreritra raha tsy ny hanongam-panjakana sy hitarika krizy vaovao eto amin’ny firenena mba hisian’ny tetezamita indray.

Azo lazaina fa efa fihetsika lany andro ny resaka fanonganam-panjakana amin’izao fotoana izao. Ny firenena mandroso sy matanjaka ankehitriny dia tsy mitaona ny vahoaka hirotaka sy hanohitra ary hitarika krizy izany intsony fa manaja ny fenitra demôkratika tanteraka. Misy ny fifandimbiasam-pitondrana ara-dalàna ary miady mafy any amin’ny fifidianana raha toa ka te hitondra firenena.

Raha ny fahitana ny raharaha ankehitriny dia mizara izany izao ny mpanohitra eto Madagasikara ka lasa niforona indray ny hery ampovoany izay hita avy tao amin’ny mpanohitra no niaingany. Inona no hitranga eo anatrehan’izany? Tena hahavita ny haha hery ampovoany azy ve ny DINEKE? Ho hitantsika miandalana izany.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi