La Gazette de la grande ile

Jeneraly namafa tsena : Fanetren-tena sa tsy fanajana ny fenitra?

Publié le 02 novembre 2020

Niteraka resabe teo amin’ny tontolo ny fiarahamonina no nahita ilay Jeneraly avy ao amin’ny miaramila ao Betongolo izay namafa tsena tao Besarety ny herinandro lasa iny. Samy nilaza ny fahitany izany daholo ny olona tsirairay arakaraka ny fahatakarany sy ny fahalalany.

Ny zavatra toa ireny dia miteraka ohatra sy môdely eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolon’ny asa toa ireny. Jeneraly ao amin’ny miaramila izany no mamafa tsena dia tena gaga sy talanjona ny olona ary nifanontany tena sy nitakoritsika. Mety ve izao sa tsy mety? . Nahoana no Jeneraly no tonga namafa tsena teo Besarety? Izany ve no fenitra vaovao amin’ny miaramila Malagasy ankehitriny hoy ny fanontaniana hatrany?. Misy ny milaza fa te hanome môdely hoan’ny fiaraha-monina Malagasy izay tsy mahalala fahadiovana sy tsy mahatsapa fa ilaina izany ka na dia tsy tokony hamafa làlana aza ny Jeneraly dia tsy maintsy nampiseho izany ity miaramila manamboninahitra jeneraly izay miasa ao Betongolo ity. Be no nankasitraka izany ary maro koa nefa no tohina ka tsara raha lazaina ihany izany. Ny miaramila manamboninahitra ambony dia manana ny fenitra mifehy azy sy ny fihetsika tokony hataony eo anatrehan’ny miaramila toa azy fa indrindra ireo eo ambany fifehezany. Hatrany anivon’ny fiarahamonina any dia tsy izany mihitsy ny ahalalana ny jeneraly ao amin’ny miaramila fa indrindra ireo be galona izany. Ny jeneraly izany dia miaramila izay faratampony ary misy koa ny fepetra aram-pitondran-tena sy ara miaramila sy aram-panjakana takiana amin’izany. Raha vao tonga sy mahita izany Jeneraly izany ny olona dia matahotra sy mangovitra. Nampiova zavatra be iny raharaha iny. Niova ve izany ankehitriny ka nahitana Jeneraly namafa tsena? Aiza ireo miaramila vatatay sy ampombolahy marobe izay tokony hanao izany?. Sarotra ny ady hevitra ary lasa fifamaliana ny niafarany fa ny tiana hahatongavana dia izao: inona marina no fenitra tokony harahina amin’ny zavatra toa itony satria sao dia mivaona amin’ny tokony ho izy ka lasa môdely ratsy hoan’ny mpitazana sy ny fiarahamonina indray? Tsy hisy mihitsy ny miaramila jeneraly any ivelany ka handeha hamafa tsena na tokontany na inona na inona no antony.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi