La Gazette de la grande ile

KOLO ANAKA : NY HAVIZANANA HATRAMIN’NY FAHARERAHAN-TSAINA (Fizarana 6)

Publié le 04 novembre 2020

  1. Dr Raharison, Inona koa no mahatonga ny faharerahana ankoatra ny olana ara-tsakafo?

Ampatsiahiviko fa ny sakafo dia toy ny solika mampandeha ny vatantenantsika, fa na izany aza anefa dia aoka tsy hihevitra isika fa motera io vatantsika io. Moa ve tsy ny fahosana ara-batana eny ara-tsaina no mampiavaka indrindra antsika amin’ny masinina. Ny teny hoe « obsolescence » na fetra eo amin’ny aina izay eritreretintsika matetika ny fisiany eo amin’ny fitaovana materialy fampiasantsika dia aminao sy amiko olombelona no tena mihatra. Rehefa revo amin’ireo fialamboly sy ny asantsika isan-karazany isika na manao zavatra andrian’ny saintsika dia matetika adino ny fetra tsy tokony ihoarana izay azo bangoina amin’ny teny tsotra sy mora tadidy hoe : « sarobidy ny fahasalamana ».

Tiana ny mampahafantatra fa ny olona tsirairay dia manana tahiry ara-pahasalamana (Capital santé) izay toa ny rakitra voatokana ho an’olona iray, ka mihena tsikelikely ary ho tapitra amin’ny fotoana tsy voafetra. Izy io dia arakaraka ny fampiasan’ny tompony azy. Betsaka ny antony mety mitarika ny faharitan’ io loharano soa io : ao ny avy amin’ny fandovana ara-pananahana nolovana tamin’ny ray aman-dreny (génétique), ao ny miankina amin’ny tontolo iainana, ny fanabeazana, ny fomba fiaina andavanandro. Eo no mampisy hatrany hatrany ary isan’andro ny andraikitry ny havizanana izay manaitra antsika sy manambara fa tojo amin’ny fetra farany zakany ny vatana isika. Ny ain’olombelona dia tsy fifaninanana hafainganam-misy sakantsakana isan-karazany. Ny tanjona eo amin’ny tsirairay dia ny ho tonga faran’izay lavitra ao anatin’ny filaminana, fahafaliana ary fahafahampo. Raha toa ka fifaninanana hazakazaka ny fiainana dia mety afaka mametraka mialoha ny fotoana tianao ho tratrarina ararakaraka ny fahalaviran’ny toerana ianao. Afaka manomana ihany koa ny hafainganam-pandehanao arakaraka ny gadona izay tianao. Ary farany dia afaka mametra ny habetsahan’ny herizika tokony ho lany eny hatrany amin’ny lanjan’ny otrikaina avy amin’ny sakafo tokony hanina aza. Saingy zavatra tsy ho fantatrao velively dia ny taha-pahavizanana izay hisy eo aminao rehefa mifarana ny fifaninanana. Miara manaiky isika fa tsy ianao na izaho mihitsy no mametra ny fahatongavan’ny havizanana. Ny hany adidy sy anjaran’ny tsirairay dia ny mitandrina aloha ary koa mandray ny fepetra sy fanapahan-kevitra mifandraika rehefa tonga izany faharerahana izany.

Afaka ampiharina amin’ny ankizy mianatra izany voalaza izany. Arakaraka ny fampiasana ny saina no tsy maintsy mampihena ny fitandremana sy ny fifantohan-tsaina. Ny mikiribiby izany dia fandaniam-potoana sady tsy hahitana vokatra satria tsy misy zavatra miditra amin’ny saina intsony. Manjary ianjadian’ny hakiviana fotsiny ilay zaza avy eo. Amin’ny lafiny hafa dia fantatsika rehetra ihany koa fa ny antony lehibe indrindra mahatonga ny lozam-pifamoivoizana dia satria nohamaivanin’ny mpamily ny havizanana misy eo aminy. Tsy azo andeferana anefa ny fanaovana akambo ny ain’olombelona. Noho izany, rehefa reraka ny mpitondra fiarakodia ary isaky ny mahavita halaviran-dalana lavalava, dia tena tsy maintsy miato kely ka maka aina sy manala faharerahana.

Nangonin’i Tatiana (hitohy)

Lire aussi