Publié le 04 novembre 2020
Anarana tsy zoviana ho an’ny Malagasy maro sy ny mpanaraka ny raharaha politika eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany Amiraly Ratsiraka izany. Ny andron’ny faha-4 Novambra no itsingerenan’ny vaninandro nahaterahany, tamin’ny 1936. izany hoe 84 taona katroka anio izy.
Nandritra ny 25 taona no naha-mpitondra fanjakana azy, satria teo anelanelan’ny taona 1972 ka hatramin’ny 1975 dia minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy izy, ary ny 1975 ka hatramin’ny 1992 dia filohampirenena izy. Ny taona 1997 ka hatramin’ny 2002 indray dia niverina teo amin’ny toerana naha-filohampirenena azy izy.
Isan’ireo filohampirenena tanora taty Afrika tamin’izany 1975 izany ny Amiraly Ratsiraka , satria vao 39 taona izy no niakatra teo amin’ny toerana maha-filohan’ny filankevitra farantampon’ny tolompiavotana azy ny faha-15 Jona 1975. Isan’ireo filoha taty Afrika nanoritra ny foto-kevitra itantanana ny firenena notarihiny tamin’ny sori-dalana sosialisma ny Amiraly Ratsiraka. Izany moa no nalaza tamin’izany fotoana, ka tsy nahagaga na dia mety ho tsy resy lahatra 100% tamin’izany sori-dalana izany aza izy. Izy rahateo taty amin’ny taona 1990 taty dia somary nanipika izany.
Tso-drivotra politika nanana ny heriny teo amin’ny sehatra iraisampirenena tamin’izany fotoana ny sosialisma ka nizorany. Azo ambara aza fa mbola ny “Reny Malala” no tao an-damosiny satria raha henjana ny hetsi-bahoaka nitranga teto tamin’ny 1991 sy 2002 dia i Frantsa hatrany no niaro azy. Tsy mahagaga izany satria hatramin’ny 1969, talohan’ny naha-minisitry ny raharaham-bahiny azy tao anivon’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa, dia Mpiandraiki-draharaha momba ny tafika (attaché militaire) tao amin’ny Masoivohom-panjakana Malagasy tao Parisy i Didier Ratsiraka. Azo heverina izany fa tamin’izany no efa namolavolan’i Frantsa azy. Mbola azo ifotorana koa ny hoe “iza moa ny filohampirenena frantsay tamin’i Didier Ratsiraka lasa filoha Malagasy?” Moa tsy i Valéry Giscard d’Estaing?
Na izany na tsy izany, isan’ny sori-dalana itantanana ny firenena nanana ny lanjany ny Boky Mena izay nandrafetan’i Didier Ratsiraka ny foto-kevitra sy ny politikam-pirenena ary ny vinam-piaraha-monina tiany hotratrarina. Ny fanatanterahana azy, tsy asiantsika ady hevitra satria tsy azo hadinoina fa dimy taona monja taorian’ny nitondrany, ny taona 1980, dia efa nihazakazaka nila vonjy tamin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena, dia ny Banky Mondialy sy ny FMI ny filoha Ratsiraka.
Ny tsy fahombiazan’ny fampiharany an’izay voalazan’ny Boky Mena tamin’ny 1975 no nahatonga izany. Isan’ny endriky ny tsy fahombiazany tamin’izany ny fandaniam-bola mihoa-pampana (investissement à outrance) natao teto, tamin’ny alalan’ny fananganana an’ireo orin’asa tsy namokatra. Teo koa ny fanararaotana isan-karazany teo amin’izay nitana ny fahefam-panjakana, tamin’ny sehatra isan’ambaratonga. Maro ny azo ambara e!
Raha iverenana ny Boky Mena dia maro tamin’izay voalaza tao kosa anefa no tena vahaolana ho an’ny firenena Malagasy, ary raha mibanjina ny zava-misy amin’izao fotoana dia mihevitra ny maro izay nahafantatra fa misy fonjan-kevitra maro tokony hanompanana ny politikam-pirenena ankehitriny ny voalazan’ny Boky Mena, fa ilàna fanavaozana fotsiny. Manomboka amin’ny tontolo ambanivohitra toy ny fambolena, fiompiana, fananan-tany, ka hatramin’ny fanabeazana, fahasalamana, fotodrafitrasa, harena ankibon’ny tany, varotra, indostria, asa tanana, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Taty amin’ny taom-pitondrana 1997-2002 moa dia efa niova be ny tontolo politika satria dia efa tafiditra 100% tao anatin’ny vahohon’ny Andrim-bolan’i Bretton Woods i Madagasikara, ka nizaka fotsiny ny onjan’ny raharaha ankapobeny nitiavan’ny Banky Mondialy sy FMI azy ny firenentsika, ary saika olona niankin-doha tamin’ny Banky Mondialy sy FMI avokoa rahateo no nitana ny fahefam-panjakana tamin’ny ankapobeny teto.
Ralay