La Gazette de la grande ile

Makamba : Potehin’ny ministera miahy ny jono

Publié le 19 mars 2021

Isan’ny vokatra fanondrana avy eto Madagasikara mampidi-bola vahiny ho antsika ny jono makamba na “patsabe” (crevettes). 20 taona lasa tany dia tena avo dia avo ny tarehi-marika nampidirin’ny fanondranana makamba nakany ivelany raha io vola vahiny io no resahina. Nitotongana izany taty aoriana. Teo ny olana ara-pahasalaman’ny makamba satria nisy aretina namono azy ireny. Tao ny tsy fahaiza-mitantana sy ny gaboraraky ny mpitondra ara-panjakana.

Amin’izao fotoana dia mitohy izany tsy fahaiza-mitantana izany ka tsy afaka ny hiala andraikitra amin’izay tsy fahaiza-mitantana izay ny ministera miahy ny raharahan-jono.

Raha ny mpitranga isan-traona tokoa mantsy dia ny tapaky ny volana martsa toa izao no ivoahan’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ho amin’ny fanombohan’ny fitrandrahana na fanjonoana ny makamba. Efa dila hefarina anefa izao ny tapaky ny volana martsa fa tsy mbola mba re akory na ny fihetsiketsehan’ny tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny ministera miahy ny jono aza, amin’ny resaka tetiandro (calendrier) momba izany. Dia miahaka fotsiny avokoa ny tontolon’ireo fandraharahana ny jono makamba io, na ny tompon’ny orin’asa na ny mpiasa, mazava ho azy

Ilàna fanavaozana ny tontolon’ny jono na fiompiana makamba saingy miankina betsaka amin’ny hakingan’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny fahavitrihany ary ny fahaizany manao izany mba hivoahan’ny fahombiazana. Hatreto anefa dia ahiana ny hahapotrika hatrany ity fandraharahana ny jono makamba ity satria sendra izay tompon’andraiki-panjakana tsy mitempo fitiavan-tanindrazana fa lany andro amin’ny 30 andro fanjava raika”.

Isan’ny ilàna fanavaozana na fanovana goavana hatrany ifotony ny tontolon’ny jono, ary tsy ho afa-bela amin’izany ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana satria io ministera io koa no misahana ny raharahan-jono eto Madagasikara.

Aza hadinoina fa manana velaran-dranomasina goavana isika eto Madagasikara amin’ny maha-Nosy antsika, ary misy harena an-dranomasina isan-karazany sady tsara kalitao no betsaka ao amin’ny fari-dranomasintsika ao. Isan’ny vokatra goavana amin’izany ny makamba. Azo atao tsara koa ny miompy makamba amin’ny alalan’ny fampanjariana dobo… ka nahoana no havela hopotehin’ny “maty eritreritra” fotsiny io seha-pamokarana iray io?

Rainisoa

Lire aussi