Publié le 23 mars 2021
Sahirana amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Covid-19 avokoa ny filoham-panjakana rehetra, ankehitriny. Samy manana ny fomba sy paikady entiny miady amin’ity areti-mandringana ity moa ny firenen-drehetra, fa amin’ny ankapobeany dia saika mitovy ihany ny fepetra hampiarina, dia tsy inona izany fa ny fanaovana fitiliana maro, fanerena ny olona hanao ny saron-tava, ny fametrahana ny fihibohana sy ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na ny « couvre-feu ». Na izany aza, misy ihany ny filoham-pirenena azo lazaina fa somary miavaka eo amin’ny fiatrehana ny valan’aretina ao amin’ny firenena misy azy. Misongadina amin’ireo mpitondra ireo ny filohan’i Tanzanie teo aloha Jhon Magufuli izay vao nodimandry ny alakamisy 18 marsa lasa teo, ary ny filohan’i Burundi nodimandry tamin’ny taon-dasa teo, Pierre Nkurunziza. Ny mampitovy an’ireto mpitondra afrikanina roa ireto dia mandray ny Coronavirus ho toy ny zavatra tsy misy dikany loatra izy roalahy. Ny an’i Pierre Nkurunziza moa dia sahy ampahibamaso maso mihitsy fa tsy misy velively ny Covid-19 fa resaka noforonina fotsiny ihany. Ho an’i Jhon Magufuli indray kosa, noreseny lahatra ny Tanzanianina fa tsy mila fanafody na vakisiny izany ny fiadivana amin’ity areti-mandringana ity fa ny vavaka amin’ny Andriamanitra ihany dia ahafahana mandresy azy. Marihana fa any Tanzanie, tsy misy ny famoahana tarehimarika momba ny trangana Coronavirus, ary hatramin’izay nisian’ny valan’aretina dia tsy nametraka fepetra tahaka izay hita tany amin’ny firenen-drehetra ny fitondram-panjakana any an-toerana. Ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra fa ny Tandrefana, dia sokajian’izy ireo ho toy ny mpitondra tsy tompon’andraikitra (irrespesonsable) ireto filoha roa ireto satria tsy miaro ny vahoakany araka ny tokony ho izy manoloana ny valan’aretina Covid-19. Etsy ankilany, ampitovian’ny Tandrefana amin’i Jhon Magufuli sy Pierre Nkurunziza ihany koa ny filoha malagasy Andry Rajoelina noho izy miziriziry hampiasa ny Tambavy CVO sy ny CVO+ ao anatin’ny ady atao amin’ny valan’aretina Coronavirus. Mpitondra tsy tompon’andraikitra i Andry Rajoelina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena satria tsy manaraka ny fanaon’ny mpitondra rehetra, dia tsy inona fa ny fanafarana vaksiny. Ho azy ireo mantsy, tsy misy afa-tsy ny fanaovana vaksiny faobe ny mponina ihany aloha hatreto no ahafahana manafoana ny Covid-19 fa ny ankaoatra izay dia rediredin’ny adala avokoa. Mazava ho azy fa manamafy izany matetika ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS). Ny tena marina anefa, tsy azo ampitoviana amin’i Jhon Magufuli sy Pierre Nkurunziza mihitsy ny filoha malagasy satria i Andry Rajoelina tena mino fa misy ary mandripaka olona ny Coronavirus, ary tsy vitan’ny vavaka ihany no ahafahana miady aminy. Ny fampiasana ireo zava-maniry nomen’Andriamanitra antsika Malagasy no eritreretin’i Andry Rajoelina hiadivana amin’ny valan’aretina, noho izany tsy mitovy amin’ny filoha Tanzanianina sy Burundais teo aloha na oviana na oviana mihitsy ny fisainany.
F.Tsihiavonana