Publié le 28 octobre 2021
Ilaina dia ilaina ny manana traikefa amin’ny fitondrana ny raharaha mpirenena fa indrindra amin’ny firenena latsaka ankaterena izao. Fahantrana , kere, fahapotika ara-toekarena, fampianarana sy ny fanabeazana tsizarizary, ny tsy fandriampahalemana efa misokatra ho any amin’ny ady an-trano. Izany no iainana amin’ity firenena ity noho ireo ministra sy mpitondra mpiana-draharaha ankehitriny.
Tao anatin’ny roa taona sy sasany ny velirano dia lasa tsianjery fotsiny sisa. Andry Rajoelina no sady mively aponga no mitsoka mozika irery. Mitsapatsapa, tsy manana hevitra hatolotra sy tetika mazava fa manaonao foana ny ankamaroany. Zara raha olona roa na telo no manana traikefa amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Hatramin’ny zavatra tsy tokony hatao avy no ataon’ny minisitra ao amin’ny governemanta. Ny sasany vetaveta fitondran-tena toa an’i Mama Sôsy, misy koa ny miderabika fotsiny toa ny minisitrin’ny mponina tao. Telo vavy izy ireo dia samy tsy hita izay nataony fa toa ny manao filatroana fotsiny. Irma Naharimamy , Bavy Angelica, ary Princia Soafilira amin’izao fotoana izao dia azo lazaina fa tsangan’olona tanteraka. Tsy hita izay maha minisitra azy ireo.Dia nampidirina indray amin’izao fotoana izao ny minisitrin’ny fahasalamana Randriamanatany Zely Arivelo. Tsy manana traikefa noho ireo minisitra teo alohany izay nesorina izy. Ny minisitrin’ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina izay tsy mahalala resaka diplaomasia fa lasa mpanao lakozia sisa isehoany vahoaka. Aiza no hisy diplaomasia any an-dakozia.
Eo amin’ny lafiny politika dia mpiana-draharaha avokoa izy rehetra ireo. Tsy mandeha ny raharaham-pirenena noho izany. Asan’ny mpisam-panjakana sisa no ataon’ny minisitra fa tsy mitondra firenena intsony. Misy aza ny ministera tena potika ankehitriny.
Jesy Rabelaolao