Publié le 15 janvier 2022
Nalain’ny solontenam-panjakana Malagasy tatsy amin’ny Nosy Kaomoro, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny mpitondra fanjakana roa tonta ireo teratany Malagasy roa, izay nitondra ireo volamena 49 Kilao avy eto Madagasikara. Tsy hoe nalaina hody eto Madagasikara izy ireo mba hiriaria ankalalahana fa nalainan mba hanohizana ny fanadihadiana sy famotorana momba io fanondranana volamena io.
Manomboka eto izany dia tsy afaka hiala andraikitra intsony ny manam-pahefana Malagasy ka hilaza, ohatra, fa “tsy nahitam-bokatra ny famotorana natao”. Ny manam-pahefana Malagasy ara-pitsarana, manomboka amin’ny famotoran’ny polisy na zandary, mandalo amin’ny mpitsara mpanao famotorana… dia tsy misy antony tsy hivoahan’ny marina raha matotra.
Fanakonana ny marina sy finiavana hiaro ny mpanondrana volamena na ny ati-dohany na ny mpiray tsikombakomba amin’ny fanondranana volamena no azo ambara raha vao tsy mahita ny tena tompon’antoka tamin’iny fanondranana volamena iny ny manam-pahefana.
Tsorina ny resaka fa irakiraka ireo roalahy tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro ka nampodiana eto Madagasikara ireo. Tsy tompon’antoka amin’ny fanondranana ireo. Na iza mahay na iza lalin-tsaina dia tsy hisy hieritreritra mihitsy fa ny tompon’antoka amin’ny fanondranana volamena izay voarara no ndeha hitondra izany anaty entana na hovimbinina mandra-pahatonga any amin’izay olona handray azy na nanafatra azy.
Aoka tsy horebirebena ny vahoaka fa na tsy mahafantatra ny tontolo manodidina ny fanondranana an-tsokosoko volamena eto aza ny tso-dahy sy tso-bavy dia hofahanan-dalitra, sanatriavin’ny vava, fa hoe “ireo tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro, no tompon’ny “entana”. Averimberinay fa iraka ireo, ary raha tena mandeha amin-kitsim-po sy amim-pahamarinana ary raha tena matotra sy hentitra ny famotorana, ary tsy misy fanelanelanana na fandrahonana ireo mpanao famotorana, dia tsy maintsy hibaribary ny ati-dohan’io mpanondrana volamena an-tsokosoko io.
Marina fa niteny ny filoham-pirenena hoe “tsy nisy nampody eto an-tanindrazana ny vola vidin’ny volamena naondrany ange ireo mpanondrana ara-dalàna , ary izay no antony nampiatoana ny fanomezan-dalana hanondrana”, saingy aoka hazava fa mety ho ati-dohan’ny fanondranana an-tsokosoko ireo mpanondrana ara-dalàna , ary tsy misy afaka hanamarina koa fa tsy ny mpanondrana an-tsokosoko hatrizay koa no ati-dohan’izy io.
Mety ho karazan’olona samihafa ny ati-dohan’ny nanondrana ilay 73 Kilao tratra tamin’ny taon-dasa toa izao atsy Afrika Atsimo sy ity 49 kilao tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro ity, fa farafaharatsiny, mba manomboka fantatra ny ati-dohan’ity nanondrana 49 Kilao ity e!
Maro ny feo mandeha fa ny tsy azo sokajiana ho diso dia ny hoe “misy tambajotra na “reseau” amin’io fanondranana volamena an-tsokosoko io”, ary misy manam-pahefana ara-panjakana tsy afa-bela amin’io. Ny ankoatra izay, famahanan-dalitra ny ambanilanitra. Izahay eto, ohatra, dia mametra-panontaniana mandrakariva ny amin’ny hoe “nankaiza ny volamena nampitrandrahan-dRakotomanantsoa Nirina ao amin’ny Kraoma tato anatin’ny telo taona, sy ny tahirim-bolamenan’ny Kraoma?”
Tohanana