Publié le 07 juin 2022
Toerana sy andraikitra tokony hoenti-miaro sy mikatsaka ary miady ny tombontsoam-bahoaka ny maha-solombavambahoaka na depiote. Andraikitra mahabe voninahitra an’ireo misalotra azy izany, raha ny lalànany sy ny rariny. Tsy ny tombontsoan’ny vahoaka ao amin’ny distrika nifidianana azy ihany no tokony arovany sy katsahiny ary iadiany fa ny an’ny vahoaka malagasy ankapobeny.
Matetika koa no mifanolana amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana ny solombavambahoaka any amin’ny faritra isan-tokony any satria ny solontenam-panjakana foibe (prefe na governora na lehiben’ny distrika na talem-paritry ny fanabeazam-pirenena na tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahasalamana any amin’ny distrika, na ny lehiben’ny fitandroana ny filaminana…)° dia miseho azy ho goavana sy ambony raha mitaha amin’ny olom-boafidy toy ny depiote.
Etsy andanin’izany koa anefa dia misy ny olom-boafidy no mihevitra ny tenany fa « tsy refesi-mandidy » ao amin’ny faritra nahavoafidy azy. Dia ambanimbanian’ny depiote sasany ny tompon’andraikitra sy manam-pahefana ao an-toerana. Isan’ny manana fahazarana amin’io fanambanimbaniana sy fanosihosena ny hasin’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tokony any amin’ny sehatra iasany io ny depioten’i Soalala, Saïd Zakaniaina Mahafaly. Tena maivana toy ny volom-borona ny anaovan’ity depioten’i Soalala any Melaky ity ny manam-pahefana hafa ao, ary hatramin’ny mpitandro ny filaminana sy ny lehibeny any an-toerana no re fa tena baikobaikoin’ity depioten’i Soalala ity. Raha ny akom-baovao dia vitan’Ingahy Solombava hatramin’ny mandainga sy manala baraka ary faniratsirana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsy mifidy mihitsy Ingahy Solombava amin’izany fa na mpitandro ny filaminana tsotra na manamboninahitra… dia tsy misy hasiny, tsy misy lanjany eo anoloany.
Ny re dia efa tonga aty amin’ny fitondram-panjakana ambony ka nandalo tamin’ireo rafitra an-tanan-tohatry ny fitandroana ny filaminana (zandary sy miaramila) ny tatitra momba izany, ary mety hisy mihitsy ny fepetra horaisin’ny fitondrana foibe, raha ny akom-baovao.
Tsimba