Publié le 08 juin 2022
Araka ny lalàna iraisam-pirenena mba hiarovana ny vahoaka ao aminy dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena no mandray an-tanana ny fitantanana ny raharaham-pirenena rehetra amin’ny asa fampandrosoana hoan’ireo izay tafiditra amin’ny fahantrana lalina toa ny mahazo an’i Madagasikara izao.
Raha ny resaka mandeha eo anivon’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ankehitriny dia miandry ny fanambarana hidiran’i Madagasikara amin’izany ny firenena maro izay manao asa fampandrosoana eto. Izany voalohany indrindra dia noho ny faharatsian’ny fitantanana (mauvaise gouvernance). Ny kolikoly sy ny fanodikodinana ny harena ary ny fananam-bahoaka rehetra ao aminy izay ataon’ny mpitondra sy ireo manampahefana, ary ny fanodikodinana volam-panjakana sy ny risoriso isan-karazany.
Rehefa latsaka ambany be ny fiharian-karena (PIB) ao amin’ny firenena iray dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Iarahana mahita ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao, izay miseho amin’ny lafiny maro toa ny kere izay mihamafy isan-taona, ny tsy fandriampahalemana izay mitombo andro aman’alina fa hatramin’ny fitsaram-bahoaka sy ny fanaovana takalonaina dia tsy voafehin’ny fanjakana intsony. Mitana toeranalehibe amin’izany koa ny faharatsian’ny fitsarana izay anjakan’ny kolikoly. Midika izany fa latsaka ao anaty fahantrana tanteraka i Madagasikara ka sarotra ny hanarenana azy. Mikorontana tanteraka.
Ny governemanta sy ny fanjakana misy izany raha tonga ao amin’io sokajy ny firenena faran’izay mahantra indrindra io dia hihena be ny fahefany eo amin’ny fiaraha miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho very ny hasiny satria tsangan’olona sisa ny mpitondra fanjakana. Ny vahiny avokoa no hanara-maso ny fampiasany ny volany eto sy ny fanampiana.
Efa tandindon’izany ny fizarana ireo vatsin’ankohonana ireny efa thatramin’ny andron’ny fanjakana teo aloha. Ny tosika fameno izay 100 000ar isan’olona omen’ny FID ankehitriny ireny, ary ny fanomezana famatsiana sakafo any amin’ny kere.
Endrikin’ny fahantrana lalina eto Madagasikara ny tsy fanomezana hitantanan’ny mpitondra sy ny fanjakana Malagasy ny fanampiana avy any ivelany izay misy ankehitriny ireo. Izany no antony tsy nahazoana famantsiana tamin’ny rivo-doza farany teo iny. Enganie ka mba tsy ho tonga amin’ny sokajin’ny firenena tena mahantra ity isika ka hanao fanambarana amin’izany ny fianakaviam-be sy ny komity iraisam-pirenena fa hovery tanteraka ny fiandreanam-pirenena.
Randriambe Jesy Rabelaolao