Publié le 27 juin 2022
62 taona omaly ny nanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Ny faha-4 aprily 1960 no vita sonia tany Parisy ny didy manafoana ny maha-zanatany an’i Madagasikara fa ny faha-26 Jona 1960 no nanambarana ampahibemaso ny maha-Firenena mahaleotena an’i Madagasikara.
Hatrany amboalohany dia efa hita fototra fa tsy izy ilay raharaha. Ny hatrany amboalohany tian-kambara dia ny fitsanganan’ny Repoblika voalohany tamin’ny faha-14 Oktobra 1958. Ny fivorian’ny Filankevi-paritany avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izay nifidy an’i Tsiranana ho filoha lefitry ny Repoblika no taratra voalohany fa fositra. Vokatry ny paikam-panoron’io Parisy mantsy no nahamaro an’isa ny Pisodia tamin’izany tamin’ireo Filankevi-paritany, ary tsy nahagaga raha lasan’i Tsiranana ny vato betsaka tamin’izany ka nahalany azy ho Filoha Lefitry ny Repoblika. Frantsay no filoha satria mbola zanatany isika tamin’izany.
Dia i Tsiranana sy ny Pisodia no nifampiraharaha tamin’i Frantsa hoe « averina amin’i Madagasikara ny fahaleovantenany ». Ny Pisodia izay tsy hafa fa ireo avy amin’ny Padesm, ary ny Padesm dia nanda hatrany amboalohany (1946) ny fitakian’ny tia tanindrazana malagasy ny fiverenan’ny fiandrianampireneny. Ka olona nanda ny fiandrianampirenena sy ny fahaleovantena ve no omenao fahefana hitantana ny firenena ambara fa « mahaleotena » dia ho lojika ny tohiny ?
Endriny ivelany io fa raha hadihadiana ny tao anatiny dia vao mainka hihivingivin-doha ianao raha ilazana fa « mbola ny mpanjanaka no nameno ny fitantanan-draharaham-pirenena malagasy tamin’izany 1960 izany ». Mbola nisy vazaha frantsay mpikambana tao amin’ny governemanta Tsiranana. Mbola saika vazaha frantsay ny talen’ny kabinetra sy sekretera jeneraly mbamin’ny tale isan-tokony tany anivon’ny ministera tany. Ny seha-pihariana amin’ny ankapobeny dia ny mpanjanatany frantsay no nitana azy. Tsy diso mihitsy ny Gazety Telonohorefy raha nanana fahasahiana tamin’ny 1958 nilaza fa « Repoblika sarin-dokotra » no mijoro ary tamin’ny 26 Jona 1960 dia nambara fa « Fahaleovantena sarintsariny ihany io ». Ny Antoko Monima notarighian’i Monja Jaona no hany Antoko politika naneho ny tsy fankatoavany izany Fahaleovantena nambara tamin’ny 26 Jona 1960 izany satria efa hita taratra fa « tsy hahaleotena mihitsy i Madagasikara » noho ny teti-panoron’i Parisy. Noporofoin’ny vahoaka malagasy izany ny taona 1965 raha nisy ny fifidianana voalohany an’izay ho filohampirenena teto. I Dadaseta no nironan’ny malagasy tia tanindrazana fa nangalarina ny vatony. Nohamafisin’ny vahoaka tamin’ny Tolona natao ny volana aprily 1971 izany fandavana sy tsy fankatoavana ny mpitondra saribakolin’ny mpanjana-tany frantsay izany, izay mbola nampihombo ny fahantram-bahoaka koa. Ny hetsi-bahoaka tamin’ny May 1972 moa dia nivantana mihitsy raha nilaza fa « Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ny Repoblika voalohany ».
Taorian’ny hetsi-bahoaka 1972 vao niova kely ny firafitry ny olona tany anivon’ny fitondrana. Efa malagasy tamin’ny ankapobeny saingy ny hevitra nitantanana ny firenena kosa, hatramin’izao isika mifampiresaka izao, dia mbola manana ny teny farany matetika i Parisy, ary ny tontolom-pihariana eto, dia mbola ny mpanam-bola Frantsay no mitana ny 60%-ny, ankoatry ny politika ankapobeny ara-toekarena sy ara-bola itantanana ny firenena izay mbola iankinan-doha amin’ny Banky Mondaly sy ny FMI. Tsy mahagaga raha mihombo andro aman’alina ny fahantram-bahoaka satria firenena mbola tsy mahaleotena no iainany ary mpitondra fanjakana mbola miankin-doha amin’ny any ivelany no mitantana.
Tohanana