Publié le 16 novembre 2022
Velon-taraina ireo manamboninahitra ao amin’ny tafika izay nambara fa voarohirohy tamin’ilay « Raharaha Apollo 21 » amin’izao fotoana. Ny « Raharaha Apollo 21 » aloha dia tsy inona fa ilay raharaha nikasana hamono ny filohampirenena Andry Rajoelina. Efa vita ny fitsarana an’iny raharaha iny, ary efa nivoaka ny didy. Misy amin’ireo manamboninahitra ao amin’ny tafika malagasy izay voarohirohy tamin’iny raharaha iny no nohafahan’ny fitsarana madiodio, tsy voakitikitika akory aza. Amin’izao fotoana, tao anelanelan’izay fotoana izay, dia zary jerem-potsiny toy ny lamban’ny mpiasa izy ireo, ka tsy mba nomena toerana isahanany andraikitra ary tsy mba nahazo fisondrotana teo amin’ny asany.
Miantefa any amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tafika sy ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ny hafatra ary tokony tsy ho tompon-trano mihono ny filohampirenena.
Misy ny lasan’eritreritra mihitsy hoe « sao lahy ka niniana nampidirina tao anatin’iny Raharaha Apollo 21 iny ny manamboninahitra sasany mba hamotehana azy fa fantatra hatrany amboalohany fa tsy misy idirany ary tsy nisy andraikitra mety ho nahavoasaringotra azy ireny mihitsy iny raharaha iny ? »
Misy fanatsaram-pitantanana sy fomba fiasa tokony jerena ao anatin’ny fianakaviamben’ny tafika sy zandary ao, izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena fa manahirana raha any no misy fitantanana tsy mandeha araka ny tokony ho izy.
Ity fanararaotana ny tombontsoan’ny tafika ataon’ny lehibebe ao anatin’ny tafika ity iray, ny fanerena ny tafika, hatramin’ny ampombolahy, hiantoka (handoa vola) amin’ny fitaovana ilainy amin’ny maha-tafika azy, ny tsy fisitrahan-dry zareo nalefa mamita iraka (any ambava ady miatrika dahalo) ny tambin-karamany, ny fanavakavahana amin’ny fanondrotana amin’ny asa (promotion), sy ny maro hafa e.
Enga anie tsy ho rano araraka ambony lamosin-gana izao resaka izao na ho voasokajy ho antso any antany efitra.
Tsimba