Publié le 23 novembre 2022
Naresaka sy nahoraka indray tato ho ato ny raharahan-ketra, indrindra fa hatramin’ny nampidanganan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny hetran-trano eto Andrenivohitra. Tsiahivina sy marihina aloha fa tsy voalohany ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo no nanaotao foana toa izao fampidanganana ny hetra izao fa tamin’ny taona teo aloha koa dia efa nitranga izao ka nisy ny fanazavana hoe « nisy fahadisoana teo amin’ny fikajiana ny hetra takiana », rehefa nikaikaika ny vahoaka. Dia mitovitovy amin’izany koa indray no nambara ankehitriny, mba hanadiovan-tena. Ny tsy azo ikombonam-bava dia efa raiki-tampisaka ao an-tsain’ny mpitantana ny tanàna ny fampidanganana ny hetran-trano.
Etsy andaniny, hita taratra tamin’ny tenin’ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena io finiavan’ny mpitondra fanjakana hampiakatra ny hetra alaina amin’ny olom-pirenena io. Ity minisitry ny toekatrena sy ny vola ity moa dia nanipika fa « ezahina ny hahatafakatra hatramin’ny roa tapitrisa (2.000.000) ny olom-pirenena hanana kara-ketra ». Ho an’ny zokinjokiny dia mety ho azo ampitoviana amin’ny karatra isan-dahy fahiny ve izany ? Ny karatra isan-dahy izay nolavin’ny vahoaka teto ka ny Jeneraly Ramanantsoa no nanafoana azy.
Ka raha io filazan’ny minisitry ny toekarena sy ny vola io hoe « hiakatra hatrany ny isan’ny olom-pirenena hanana kara-ketra », dia mazava ny resaka izany fa hovolosan-ketra ny vahoaka. Vahoaka izay tsy mpanefoefo fa tena farahidiny amin’ny fari-piainana.
Izany no vokatry ny fianteherana amin’ny manam-pahaizana vonona ny hivarotra ny fahaizany, ary izany no ateraky ny fiankohofana isa-maraina amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena.
Efa nambaranay teto, tsy ela akory izay, fa mila fahaizana ny fandanjalanjana ny hetra ary izany dia tokony hiorina eo ambonin’ny politikam-pirenena momba ny hetra. Hitantsika fa maro amin’ireo mpanam-bola, indrindra fa ny vahiny mpandraharaha ara-bola eto, no tsy mandoa hetra, manomboka amin’ny fampidirana entana eny amin’ny fadin-tseranana ka hatramin’ny hetram-barotra sahaniny, eo anelanelany eo ny hetra amin’ny fanodinana ireny entana ireny. Mbola mikiky ny ao anatin’ny kitapom-panjakana aza ny sasany amin’ny fanonerana aminy ny antsoina hoe « haba TVA » na tsy nisy aza ny fandoavany izany. Noho ny kolikoly avo lenta sy ny hosoka no fototry ny tsy fanefan’ny mpanam-bola sasany ny hetra eto. Dia tsy mahagaga raha mangotatana ny kitapom-panjakana ka ireo efa manefa isa-taona sy ara-dalàna ny hetrany ihany no voatery mameno an’io mangotatana io. Amin’ny alalan’ny inona, hoy ianao ? Amin’ny alalan’ny fampiakarana ny tahan’ny hetra efa fitaky hatrizay na amin’ny alalan’ny famoronana tataon-ketra hafa. Ka ny famolosana hetra ny vahoaka mahantra dia fahadisoana ary mety ho lekoka bevava mihitsy. Mety hisy hilaza hoe « ka inona àry no hiantohana ny vola hoentin’ny fanjakana miasa ? ». Tsotra. Tsy fiankohofana eo ampoto-tongotry ny Banky Mondialy sy ny FMI mbamin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena hafa akory, fa ny fiarovana sy ny fampahombiazana ny fanjakana tsara tantana amin’ireo harem-pirenena eto fa na tsy ampandoavina hetra aza ny malagasy sy ny orin’asa eto ka tsara tantana sy voaoaro ny harem-pirenena dia tsy ho lany hiantohana ny filan’ny firenena amin’ny ankapobeny sy amin’ny antipirihany izany.
Tohanana