Publié le 12 juin 2020
Tao anatin’ny herinandro teo izay dia hita ho nisy fitomboana tsy tahaka ny mahazatra ny isan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina Coronavirus ka sitrana. Efa mananika ny 100 ny isan’ireo voamarina fa sitrana, tao anatin’ny herinandro raha ny tarehimarika mivoaka eny amin’ny CCO Covid-19 eny Ivato. Hatramin’ny omaly alakamisy, tafakatra 312 ny isan’ireo sitrana eto amintsika raha toa ka 882 ireo marary mbola manaraka fitsaboana. Tsara marihana fa mandraka ity ny androany, tsy fantatra mazava ny fomba nitsaboana ireo nitondra ny tsimonkaretina eto amintsika ireo. Tsy fantatra ny fanafody nampiasain’ireo mpitsabo na koa ny isan’ireo marary nositranina tamin’ilay Tambavy CVO vokarin’ny IMRA. Rehefa mamoaka ny atontan’isa farany mantsy ny profesora Vololontiana Hanta Marie, dia mijanona eo amin’ny filazàna ny isan’ireo sitrana vaovao fotsiny fa tsy milaza ny fomba nafahana nanasitranana azy ireo. Ekena fa misy ny antony tsy afahana mamoaka ho an’ny daholobe ny fanafody nentina nitsaboana ireo marary mba ho fanajana ny harofenitra ara-pahasalamana, kanefa tokony ho fantatry ny Malagasy ny fahombiazan’ny Tambavy CVO eo amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus eto amintsika. Tany Tchad ohatra, ny talata 9 mey lasa teo dia ny minisitry ny fahasalamana any an-toerana mihintsy no nilaza fa olona 34 no sitrana soamatsara rehefa notsaboina tamin’ny alàlan’ity tambavy malagasy vokarin’ny IMRA ity. Noho izay fahombiazana izay dia mbola nandefa delegasionina manokana eto Madagasikara indray ny governemanta Tchadianina, naka Tambavy CVO miisa 2 alina hitsaboana ireo mbola marary any aminy. Raha mangarahara toa izany ny an-dry zareo Tchadianina eo amin’ny famoahana ny isan’ireo olona Tambavy CVO na ny Covid Organics, maninona tsy manao tahaka izany koa isika eto Madagasikara mba ho fantatry ny be sy maro ny fahombiazan’ity fanefitra vita malagasy ity. Ankehitriny mantsy dia mbola maro amin’ny Malagasy no tsy mino fa tena mahasitrana ny Covid-19 ny Tambavy CVO ka mahatonga ny sasany hanatsatso azy, indrindra fa ireo tsy mankasitraka ny fitondrana mijoro ankehitriny. Inoana fa ho maro ny Malagasy hisotro ny Tambavy CVO raha mazava tsara ny isan’ireo marary sitrana tanteraka rehefa notsaboina tamin’io fanefitra io.
F.T.